Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way






























Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
Nisy antokon'olona tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W), ka rehefa tonga teo aminy izy ireo, dia nilaza - nidera sy nadoka azy - tamin'ny teny sasany izay tsy tiany. Hoy izy ireo: “Ianao no lehibenay.” Dia niteny ny Mpaminany (S.A.W) tamin'izy ireo : "Ny lehibe indrindra dia I Allah". Manana ny fiandrianany sy fahefana tanteraka amin’ny zavaboariny Izy ary mpanompony avokoa izy ireo. Hoy izy ireo: “Ianao no tsara indrindra aminay amin’ny hatsaran-toetra” ary ambony indrindra amin’ny laharana sy ny haja ary ny voninahitra. Ianao no “ be harena indrindra amintsika”, ary malala-tanana indrindra, ary ambony indrindra ary be voninahitra indrindra. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) nanoro hevitra azy ireo mba hiteny amin'ny fiteniny mahazatra fa tsy amin'ny teny manjavozavo, ka mba tsy hitarihan'i Satana azy ireo amin'ny fihoaram-pefy sy ny fandokafana izay hahalatsaka azy ireo ao amin'ny fanompoan-tsampy voarara sy ny làlana mitondra makany amin'izany.
Mitantara i Ibn Abbas (R.A) fa niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy tamin'ny andro fanaovana sorona ny marain'ny nitoraham-bato an'i Jamarat al-Akaba nandritra ny Hajj fanaovam-beloma. Koa nasainy nanangona vatokely ho azy izy, ka nanangona vatokely fito ho azy, izay mitovy habe amin’ny voanjo na voa kely ny iray amin'izy ireo, dia napetrany teo amin'ny tànany ary nahetsiketsiny, dia niteny izy avy eo hoe : Mitovy habe amin'ireto no hitorahanareo, Avy eo dia nampitandrina mafy ny Mpaminany (S.A.W) amin’ny fihoaram-pefy sy ny fanenjanana loatra ary ny fanitarana loatra amin’ny resaka finoana, satria ny vahoaka teo aloha dia rendrika tamin’ny alàlan’ny fihoaram-pefy sy ny fihizingizinana diso tafahoatra teo amin’ny lafiny finoana.
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fifindran'ny aretina izay ninoan'ny olona talohan'ny silamo, ka ny aretina dia mifindra amin'ny alalan'ny tenany ihany ho amin'ny hafa, fa tsy noho ny lahatr'Allah, dia lainga izany. Ary ny zavatra antsoina hoe "tiara" dia lainga, izany dia finoanoam-poana amin'ny zavatra rehetra, na heno na hita, amin'ireo vorona, biby, olona manana fahasembanana, isa, andro, na zavatra hafa. Nolazainy fotsiny ny vorona satria nalaza izany tamin'ny fotoan'ny habadoana, ary ny fiavian'izany dia ny famotsorana ilay vorona rehefa manao hetsika toy ny dia lavitra, varotra, na zavatra hafa, raha manidina miankavanana dia feno ny fanantenana ka manatanteraka izay tiany, ary raha manidina miankavia izany dia lasa minomino foana izy ary tsy nanao izay tiany. Avy eo nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tiany ny manantena ny tsara, izy io dia fifaliana sy fahafinaretan’ny olona iray avy nahazo teny feno hatsarana, ka mahatonga azy hieritreritra tsara ny Tompony.
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa mariky ny finoana tonga lafatra ny fitiavana ny Ansar mponin'i Medina. Izany dia noho izy ireo ny nialohalalana amin'ny fanohanana ny finoana silamo sy ny Mpaminany, ary ny fiezahany hiaro ny mpino silamo, sy ny fanomezana ny volany sy ny ainy ho an'I Allah, ary ny fankahalana azy ireo dia mariky ny fihatsarambelatsihy. Avy eo nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay tia ny Ansar dia ho tia azy Allah, ary izay mankahala azy ireo dia mankahala azy Allah.
Nohazavain'ny Mpaminany (Saw) fa izay rehetra nanao sy nanatanteraka ny fivanianana masina ho an'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ka tsy nanao asa mirakitra vetaveta, ary anisany asa vetaveta: toy ny firaisana ara-nofo sy ireo fampidirana amin'izany toy ny fifanorohana sy ny fisafosafona, ary antsoina ihany koa hoe fahalotoana ara-pitondran_tena. Ary tsy nanao fahotana sy ny asa ratsy rehetra maro isan-karazany, Ary anisan'ireo fahalotoana ara-pitondran_tena dia ny fanaovana ireo voarara amin'ny fotoana izay mbola misikina ny lamba atao hoe : IHRAM, ka rehefa niverina avy tamin’ny fanaovana ny Hadjy izay nataony Izy dia voavela avokoa ny fahotana sy ny fahadisoana izay nivitany, ka dia lasa tahaka ny zaza kely voateraka izay tsy nisy ota Izy.
Ny irak'Allah (S.A.W) dia nandrara ny mivavaka eo anatrehan'ny sakafo efa vonona, izay irin'ny fanahin'ilay olona mivavaka sy ifantohan'ny fony. Norarany tahaka izany koa ny mivavaka rehefa tratry ny fahaporetana roa - ny amany sy tay - satria hifantoka amin'ny fanoherana ny fivoahan'ilay loto ny tenany.
Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa iray amin'ireo fahalalam-pomba tsy maintsy atao ho an'izay manatrika ny toriteny zoma dia ny mihaino ny mpitoriteny, mba hisaintsainana ny toriteny, ary izay miteny - na dia zavatra kely indrindra aza - nefa mbola mitoriteny ny imam, ka miteny amin'ny hafa izy hoe : "Mangina ianao" ary "mihainoa", dia tsy nahazo ny valisoan'ny vavaka Zoma izy.
Nanazava ny fomba dimy amin'ny finoana Islam sy ny fomban'ireo iraka rehetra ny Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany amin'izy ireo : famorana, izany dia ny fanapahana ny hoditra mihoatra eo amin'ny filahiana eo ambonin'ny lohan'ny filahiana, ary fanapahana ny lohan'ny hoditra eo amin'ny fivavian'ny vehivavy eo ambonin'ny toerana fampidirana. Ny faharoa : fanadiovana henatra, izany dia ny fanapahana ny volovolo manodidina ny henatra aloha. Fahatelo : fanapahana ny volombava ambony, izany dia ny fanapahana izay maniry eo ambonin'ny molotra ambony ka noho izany dia miseho ny molotra. Fahefatra: fanalana hoho. Fahadimy : fanongotana volokelika.
Mandidy ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny hanafohaizana ny volombava ambony ary tsy tokony havela, fa hafohezina ary tena hafohezina tanteraka. Mifanohitra amin'izany ka nasainy navela ho lava sy milobolobo ny somotra.