





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Homràn, mpanampin’i O'thman bin 'Affàn, fa nahita an’i O'thman bin 'Affan nangataka zinga misy rano hanaovana Ozò izy, dia nandraraka ny rano tamin’ny tànany izy ary nanasa izany in-telo. Avy eo nampidiriny tao amin'ilay zinga ny tanany havanana, avy eo nanotsam-bava izy sy nampiditra rano amin'ny orony ary namoaka izany, avy eo dia nanasa ny tarehiny intelo, ary ny tanany hatreo amin’ny kiho intelo, dia nisafo ny lohany, dia nanasa ny tongony intelo, ka niteny izy manao hoe : Hitako ny Mpaminany (S.A.W) nanao ny ozò toy izao nataoko izao, ary niteny izy hoe : “izay manao ozò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha".
Al-Bukhari and MuslimNampianatra ny ozò fanaon'ny Mpaminany (S.A.W) i O'thman (R.A), tamin'ny fomba fampiharana avy hatrany mba hazava kokoa, ka nangataka rano tao anaty zinga izy, nandraraka intelo tamin’ny tànany, rehefa avy eo dia natsofony tao anaty zinga ny tànany havanana, dia naka rano izy, nahodidininy teo am-bavany ary navoakany, avy eo dia nisintona ny rano hatrany anaty orony, dia navoakany ka nahisiny, avy eo nanasa ny tarehiny intelo, avy eo nanasa ny tànany hatreo amin’ny kiho intelo, avy eo izy dia nametraka ny tànany lena teo ambonin’ny lohany indray mandeha, dia nanasa ny tongony niaraka tamin’ny kitrokeliny intelo. Rehefa tapitra izany, dia nilaza tamin’izy ireo izy fa nahita ny Mpaminany (S.A.W) nidio tahaka izany fidiovana izany, ary nanome vaovao mahafaly ho azy ireo ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manao ny fidiovana tahaka ny azy, ary mivavaka swalat roa rakaat, manetry tena, manolotra ny fony eo anatrehan’ny Tompony ilay Tsitoha, dia hamaly soa azy Allah noho izany fidiovana tanteraka sy vavaka am-pahadiovam-po izany amin'ny alalan'ny famelana ny fahotany teo aloha.
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy eken’I Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”.
Al-Bukhari and MuslimNambaran’ny Mpaminany (S.A.W) fa fepetra takina mba hahatomombana ny fivavahana swalat : dia ny fahadiovana, ka izay te hivavaka dia tsy maintsy manao Ouzou rehefa nanao zavatra manafoana ny ouzou. Toy ny fivoahana, na fipipizana, na torimaso lalina sns...
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.a), niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe: " Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".
An-Nasaa’iMilaza amintsika i Mpaminany (saw) fa ny miborosy nify amin'ny hazo araky sy ny mitovy izany dia manadio ny vava amin'ny loto sy ny fofona ratsy. Ary izy io dia anisan’ny mahatonga ny fahafaham-pon’I Allah amin’ny mpanompo iray; satria misy ny fankatoavana an’I Allah sy ny famaliana ny didiny, ary ny fahadiovana izany no tena tian’I Allah ilay Tsitoha.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : "Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."
MuslimMampahafantatra i Mpaminany (saw), fa ny vavaka in-dimy isan'andro sy ny alina izay tsy maintsy atao, ny vavaka zoma isan-kerin'andro, ary ny fifadian-kanina amin'ny volana ramadany isan-taona, dia famafana ny fahotana madinika izay eo anelanelan'izy ireo , raha toa ka miala ireo fahotana lehibe. Raha ny amin’ny fahotana lehibe toy ny fijangajangana sy ny fisotroana toaka, dia tsy voafafa izany raha tsy amin'ny fibebahana.
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Ibn Amro (r.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : "Tsy ilay manolotra fanomezana no atao hoe mpanohy ny fihavanana, fa ny tena mpanohy fihavanana dia ilay miezaka manohy izany raha sendra misy fahatapan'ilay fihavanana".
Al-BukhariManambara izany i Mpaminany (saw) ka manao hoe : Ny olona tonga lafatra amin'ny fifandraisan'ny havan-tiana sy ny fanaovan-tsoa amin'ny havana dia tsy izay mamaly soa amin'ny soa natao azy, Raha ny marina, ny tena lavorary amin’ny fifandraisan’ny mpihavana dia izay, raha tapaka ny fihavanana dia mampifandray izany izy, na dia mampijaly azy aza ireo dia maneho ny hatsaram-panahy amin’izy ireo izy.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Huorairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha".
Al-Bukhari and MuslimMampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay nifehy mandritra ny volana Ramadany tamin'ny finoana feno an'i Allah, ary mino ny maha voadidy ny fifehezana sy izay fampanantenana omen'i Allah azy amin'ny valisoa lehibe sy ny hatsarana, nataony noho i Allah ilay Avo Tsitoha, tsy misy fireharehana na fisehosehoana, dia ho fafan'i Allah avokoa ireo fahotana rehetra izay efa lasa.
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".
Al-Bukhari and MuslimMampafantatra i Mpaminany (S.W.A) momba ireo fahasoavan'ny fitsanganana manompo Allah amin'ny alinan'ny lahatra izay hita ao amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary izay miezaka manatanteraka ny Swalat sy fangatahana Douan ary ny famakiana ny Koroany, ary ny fanaovana Zikr, mino sy manantena fahasoavana amin'izany, manantena ihany koa ny valisoa avy amin'Allah amin'ny asa rehetra izay vita, tsy misy fisehosehoana na fireharehana, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany.
Tatitra azo avy tamin'i No'màny Ibno Bashìro (R.A) nilaza hoe : Reniko fa i Mpaminany (S.W.A) milaza - Natsangan'i No'màn teo amin'ny Sofiny ny Rantsantanany Roa. " Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara , ary misy ireo Zavatra mitovitovy mety mampisalasala izay tsy fantatry ny maro, ka izay miala amin'ny Zavatra mampisalasala dia ho afaka tsy omena tsiny amin'ny finoany sy ny voninahiny, ary izay latsaka amin'ny Zavatra mampisalasala kosa dia Lavo tany amin'ny zava-pady, toy ny Mpiandry ondry mihina ahitra manodidina ny Zaridaina ka saika hihina ahitra eny ireo Ondry. Eny tokoa, ny Mpanjaka rehetra dia manana Zaridaina. Ary ny Zaridain'ny Tompo Allah dia ireo zava-pady izay Nofaritany. Misy Nofo iray tokoa amin'ny Vatana. Raha tsara izany, dia lasa tsara avokoa amin'ny Vatana, fa raha Simba izany, dia simba avokoa ny Vatana rehetra, tsy inona akory izany fa ny Fo ".
Al-Bukhari and MuslimManazava ny Fitsipika amin'ny fomba Ankapobeny momba ny Zavatra rehetra i Mpaminany (S.W.A), ary mizara telo ny ao amin'ny Làlana dia : Zavatra Azo atao mazava tsara, Zavatra Voarara mazava tsara, ary ireo Mampametra-panontaniana izay tsy mazava ny lalàna mamehy azy hoe azo atao sa voarara, Ka maro amin'ny olona ny tsy mahalala ny momba izany. Ka izay miala amin’ireo Zavatra ahiahiana momba Azy, dia ho Voaro ny Finoany ka tsy tafalatsaka any amin’ny Zava-boarara, ary ny voninahiny dia ho Voaro amin’ny tenin’ny Olona momba ny fanakianana azy noho ny nanaovany izany zavatra mampiahiahy izany. Ary izay tsy miala amin'ny zavatra mampisalasala dia mandatsaka ny tenany any amin'ny zava-boarara, na amin'ny fanimbana ny voninahiny amin'ny fitenenan'ny olona Azy. Nanome Ohatra ny Irak'Allah mba hanehoana ny toe-javatra iainan'ny Olona miahiahy. Toy ny Mpiandry ondry miandry ny ondriny eo akaikin'ny tany narovan'ny tompony izy, ka saika hihinana amin'ilay toerana voaharo ny ondrin'ny Mpiandry ondry noho ny nanakaikaizany izany. Toy izany koa, izay manao Zavatra mampiahiahy, dia manakaiky ny zava-boarara ka mety ho tafalatsaka ao. Avy eo ny Mpaminany (S.W.A) dia niteny fa misy nofon-kena ao amin'ny vatana (dia ny Fo) ary ny vatana dia ho tsara noho ny fahatsarany ary simba noho ny fahasimbany.
Tatitra azo avy tamin'i Saiid Al-Khoudriou, niteny i Mpaminany (S.A.W) : " Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy."
Ibn MaajahManazava i Mpaminany (S.W.A) fa tena ilaina tokoa ny misoroka ireo loza miseho amin'ny endrika maro samihafa na eo amin'ny fisehoany avy amin'ny tena na avy amin'ny hafa, ary tsy azo atao ny manisy ratsy ny tenany na ny hafa. Tsy azo atao ny mamaly ny ratsy amin'ny ratsy hafa ihany koa. Satria ny ratsy dia tsy afaka amin'ny ratsy iray, raha tsy amin’ny alalan’ny valifaty izay tsy hatao amin'ny endrika mihoam-pefy na amin'ny fandikan-dalàna. Avy eo i Mpaminany (S.W.A) nanazava ilay fandrahonana amin'ny loza ho an'ireo izay manisy ratsy ny Olona, ary fahazoana fahasahiranana ho an'ireo izay manasarotra ho an'ny Olona.