





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy amin'i Aisha (R.D) fa hoe : Misy Lehilahy iray nipetraka teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W,A) ary Niteny Taminy ny hoe : O ! Ry iraka mahafatokin'i Tompo Allah, manana andevo roa Aho, mandainga Amiko, ary mamitaka Ahy, no sady tsy manaja Ahy, ka miteny ratsy amin'izy ireo Aho sy mikapoka azy ireo, ahoana ny toerana misy Ahy ?. Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataon'izy ireo ary ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo raha toa ka mifandanja amin'ny fahadisoan'izy ireo ny sazy nataonao tamin'izy ireo dia efa ampy izany tsy misy tombony ho Anao na koa hahavoa Anao, fa raha latsakan'izay nataondreo dia hahazoanao valisoa, fa raha mihoatra ny nataon'izy ireo ny sazy izay Nataonao dia ho tsaraina Ianareo ka hefainao ny mihoatra amin'izany ,". Nisitaka ilay Lehilahy ka nitomany, avy eo Niteny i Mpaminany (S.W.A) : Ianao ve tsy namaky ilay Teniny masinan'i Tompo Allah { Hapetrakay ny Mizana marina amin'ny Andro farany tsy hisy Olona ho tratran'ny fitongilanana na kely aza }, ny andininy Soratra masina hoe ". Niteny ilay Olona hoe O ! Ry Irakan' i Tompo Allah, tsy hitako izay tsara ho Ahy na ho azy ireo afa-tsy ny misaraka Aminy, mijoro ho vavolombelona Aminao Aho fa avelako izy rehetra.
At-TirmidhiTonga lehilahy iray nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fihetsik'ireo andevo roa ireo, mandainga amiko, mamitaka ahy, ary tsy manaja ahy, ka miteny ratsy amin'izy ireo aho ary kapoiko, ahoana ny toerako amin'izany?, Namaly izy : "@ Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataony izy ireo ary hotsaraina amin'ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo kosa ianao. Ka raha ny sazy izay nataonao tamin'izy ireo mifanaraka tamin'ny fahadisoan'izy ireo dia efa hampy izany tsy misy ho anao na koa havoa anao, fa raha latsakan'izay nataon'izy ireo dia hahazoanao valisoa, fa raha mihoatra ny nataon'izy ireo ny sazy izay nataonao dia ho tsaraina ianareo ka ho efainao ny mihoatra amin'izany,". Nisitaka ilay lehilahy ka nitomany, avy eo Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : Tsy novakinao va ilay tenin'ny Allah hoe : {Hapetrakay ny Mizana marina amin'ny andro farany tsy hisy olona ho tratran'ny fitongilanana na kely aza}. [Al- Anbia : 47] , Ka tsy hisy fanambakana mihitsy amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary ho marina avokoa ny fifandanjana , ka niteny ilay olona hoe o! Ry irak'Allah tsy mahita ny soa amiko sy eo amin'izy ireo aho ka aleoko ny misaraka amin'izy ireo, Mijoro ho vavolombelona aminao aho fa avelako afaka izy rehetra noho ny amin’i Tompo Allah. Tahotra ny amin'ny hotsaraina sy hampijalina.
Tatitra azo avy amin'i Abou Moussa Al-Ashariou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mifikira amin'ity boky masina coran ity ianareo, izaho mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'ain'i Mouhammad eo am-pelatànany fa izy io dia mora mivaha mihoatra ny rameva amin'ny tadiny ".
Al-Bukhari and MuslimNandidy i Mpaminany (S,W,A) amin'ny ffikirana amin'ny Boky masina Koroany sy ny famakina azy matetika mba tsy hanadinoana azy taorian'ny nahaizany azy tsy anjery azy tao am-pony, ary nanamafy i Mpaminany (S.W.A) tamin'ny fianianiana nataony fa ny Boky masina Koroany dia malaky mandeha sy mora miala ao am-po mihoatra ny rameva izay mifatotra, izay afatotra amin'ny tady eo afovoan'ny sandriny, raha tazonin'ny olona izany dia voatazony, ary raha avelany dia lasa ka very.
Tatitra azo avy amin'i Outhman (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny tsara indrindra aminareo dia ireo izay mianatra ny CORAN sy mampianatra izany amin'ny hafa".
Al-BukhariMilaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny silamo tsara indrindra sy ambony indrindra eo imason'Allah dia : ireo izay mianatra ny CORAN, amin'ny famakiana azy, amin'ny fitadidiana, amin'ny famakiana azy, manara-dalàna ary amin'ny fandikana. ary mampianatra ny hafa ny fahalalana ny CORAN izay ananany ary fampiharana azy.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Aza ataonareo ho toy ny fasana ny tranonareo, tena marina fa mandositra ny trano namakiana ny Sorata Al-Baqarah i Satana.”
MuslimNoraràn'ny Mpaminany (S.A.W) ny tokantrano tsy hanaovana swalat ka lasa ho toy ny fasana izay tsy hanavaon'ny olona Swalat. Avy eo i Mpaminany (S.W.A) nampahafantatra fa i Satana dia mandositra ny trano izay hamakina ny Sourat Al-bakarat.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany".
Al-Bukhari and MuslimNampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay mamaky andininy masina roa farany amin'ny Sourat Al-bakarat amin'ny alina, dia Tompo Allah hiaro azy amin'ny ratsy rehetra, ary nilaza koa fa hoe : Ampy ho azy amin'ny fivavahana amin'ny alina, ary misy milaza hoe : Ampy ho azy amin'ireny tonombavaka ireny, ary misy nilaza hoe : Ampy vakina mandritra ny fivavahana amin'ny alina, ary misy milaza ankoatr'izany, fa ny rehetra voalaza dia marina mameno ny hevitra rehetra.
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Izay Olona namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny fa Izaho kosa tsy hiteny hoe : {Alif, Lam, Mim} ho litera iray, fa ny {Alif} dia litera ary ny {Lam} dia litera ary ny {Mim} dia litera ihany koa".
At-TirmidhiMampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny mpino tsirairay mamaky ny litera ao amin'ny bokin'Allah dia hahazo valisoa, ary hampitombona io valisaoa io hatramin'ny folo avo heny. Avy eo dia nanazava izy (S.W.A) amin'ny teniny manao hoe : (Tsy hiteny aho hoe : {Alif, Lam, Mim} litera iray, fa ny {Alif} dia raisina ho litera iray ary ny {Lam} ihany koa dia Litera iray ary ny {Mim} dia litera iray : Ka ny litera telo dia ho ho hahazoana valisoa telopolo.
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny : I Mpaminany (S.W.A) dia mahatsiaro sy midera an'i Allah tamin'ny fotoanany rehetra.
Al-Bukhari as Mu‘allaq/hanging, with a decisive formMampahafantatra i Aicha (R.A) renin'ny mpino rehetra fa i Mpaminany (S.W.A) dia tena mifikitra amin'ny fahatsiarovana sy fiderana an'i Allah, ka izy dia midera an'i Allah amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra.
Tatitra azo avy tamin'i Said bin Al-Mosayyab, tatitra azony tamin'ny rainy, niteny manao hoe : Rehefa ho faty i Abo Talib dia tonga tao aminy ny Irak'I Allah (S.A.W) ka nahita an'i Abo Jahl sy Abdollah bin Abi omayyah bin Moghirah teo aminy, dia hoy izy hoe : «Ry dadatoa,: lazao hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, teny izay hiadiako hevitra ho anao amin’I Allah.” Dia hoy Abo Jahli sy Abdollah bin Abi Omayyah : Tsy ho tianao intsony ve ny finoan’i Abdol Mottalib? tsy mitsahatra hatrany ilay Irak'Allah mampiteny azy izany ary naverimberin'izy roa tamin'i Abo Talib ihany koa ny teniny, Mandra-pahatongan'i Abo Talib nilaza ny teniny farany tamin'izy ireo hoe : Manaraka ny fivavahan'i Abdol Mottalib aho, ary nandà ny hiteny: Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Mianiana amin'I Allah aho fa hangataka famelan-keloka ho anao tokoa raha mbola tsy voarara amin'izany.” Teo dia nampidinin'I Allah ilay andininy masina nanambara hoe : Tsy anjaran'ny Mpaminany sy ireo mpino ny mangataka famelan-keloka ho an'ireo mpampitambatra (mpanompo sampy) [At-Taobah: 113], ary nampidinin'Allah tamin'i Abo Twalib ity andininy masina ity izay milaza amin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : {Tsy mitarika izay tianao ianao (ry Mohammad), fa Allah no mitari-dàlana izay tiany} [Al-Kasas: 56].
Al-Bukhari and MuslimNiditra tao amin'i Abo Talib dadatoany ny Mpaminany (S.A.W) raha efa ho faty izy, ary niteny taminy hoe : Dadatoa o, teneno hoe : “Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah”, teny ijoroako ho vavolombelona hiaro anao manoloana an'I Allah. Hoy I Abo Jahl sy Abdollah bin Abi omayyah : Ry Abo Talib, hiala amin'ny finoan'i Abdol Mottalib rainao ve ianao?! Fivavahana amin'ny sampy izany, tsy nitsahatra niresaka taminy izy roa mandra-pilazany teny farany nolazainy tamin'izy ireo : Manaraka ny finoan'i Abdol Mottalib, ny fivavahana amin'ny fanakambanana sy ny fanompoana sampy. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Hangataka famelan-keloka ho anao aho raha tsy mandrara ahy ny hanao izany ny Tompoko, teo dia nidina ny tenin'I Allah manao hoe: {Tsy anjaran'ny Mpaminany sy ireo mpino ny mangataka famelan-keloka ho an'ireo mpampitambatra (mpanompo sampy), na dia havany akaiky aza izy ireo, rehefa niseho tamin'izy ireo mazava tsara, fa olon'ny afobe izy ireny].(Taoba:113). Nidina momba an'i Abo Talib ny tenin'I Allah Tsitoha: {Tsy mitarika izay tianao ianao (ry Mohammad), fa Allah no mitari-dàlana izay tiany. Ary Izy no Mahafantatra indrindra ireo voatari-dàlana].(Kassas: 56), Tsy mitarika izay tianao hotarihina ianao, fa mampita ny hafatra no adidinao, fa Allah no mitarika izay tiany.
Tatitra azo avy tamin'i Abo mossa Al-Ash'ario (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny mpino mamaky ny kor'any dia tahaka ny voankazo Otroja, ny fofony dia manitra ary ny tsirony dia mamy, ary ny mpino tsy mamaky ny kor'any dia toy ny atrendry, tsy misy fofona fa ny tsirony dia mamy, ary ny mpihatsaravelatsihy mamaky ny kor'any dia toy ny rayhana, ny fofony dia tsara fa ny tsirony mangidy, ary ny ny mpihatsaravelatsihy tsy mamaky ny kor'any dia toy Hanzwalat, tsy misy fofona ary mangidy ny tsirony."
Al-Bukhari and MuslimNanazava ny sokajin'olona amin'ny famakiana ny kor'any sy ny tombontsoa azo avy amin'izany ny Mpaminany (S.A.W) : Ny sokajy voalohany : Ny mpino izay mamaky ny kor'any ka mandray soa avy amin'izany, tahaka ny voan'ny Otroja izy, tsara ny tsirony, fofony, tsara tarehy, maro ny soa azo avy aminy ary mahasoa ny mpanompon’Allah. Ny faharoa : Ny mpino tsy mamaky ny kor'any dia toy ny atrendry izay mamy sy tsy misy fofona, ny fony dia feno finoana, toy ny atrendry izay misy mamy sy tsiro ao anatiny, saingy tsy manana hanitra ho an'ny olona mifofona azy; Satria tsy nisy vakiteny avy aminy izay hahazoan'ny olona mpihaino azy fahafinaretana. Ny fahatelo : ny mpihatsaravelatsihy izay mamaky ny kor'any dia toy ny Rayhana, izay misy fofona mahafinaritra saingy mangidy ny tsirony, satria tsy nanao asa tamin'ny fony feno finoana izy, ary tsy nanatanteraka ny voalazan'ny kor'any, fa miseho eo imasombahoaka fa hoe mpino. Ny fofony manitra dia mitovy amin'ny vakiteny nataony, ary ny tsirony mangidy dia mitovy amin'ny tsy finoany. Ny fahefatra : Ny mpihatsaravelatsihy izay tsy mamaky ny kor'any, dia toy ny Hanzwala izy, satria tsy misy fofona ary mangidy ny tsirony, ka ny tsy fisian'ny hanitra aminy (hanzwala) dia mitovy amin'ny tsy fisian'ny fofony (Mpihatsaravelatsihy). noho ny tsy famakiany izany, ary ny hidin'ny tsirony dia mitovy amin’ny fangidian’ny tsy finoany, foana ny fianoana ao anatiny, ary ny endriny ivelany dia tsy mahasoa, raha ny marina dia manimba.