





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Abdillah bin Amro (R.A) niteny izy : Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
Al-Bukhari and MuslimNanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : karazan-javatra inona ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Nanonona karazan-javatra roa izy : Ny voalohany : Ny fanomezana sakafo betsaka ny mahantra, tafiditra ao anatin'izany ny fanampiana sy fanomezana ary fampiantranoana sy fanasam-be, ary tena tsara amin'ny fampisakafona dia amin’ny fotoan’ny mosary sy ny fiakaran'ny vidin'entana. Ny faharoa : Fiarahabana ny mpino silamo rehetra, na fantatrao na tsia.
Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.A), Niteny manao hoe : Ny Douan matetika nataon’ny Mpaminany (S.A.W) dia ny hoe : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azaban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any an-koatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”.
Al-Bukhari and MuslimNy Mpaminany (S.A.W) dia tia mankamaro ny Douan, amin'ireo douan mifono hatsarana betsaka ka isan'izany ny : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azàban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any ankoatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”. Tafiditra ao anatin’izany ny soa eto an-tany, toy ny vatsy mahafinaritra, ampy ary madio Halal, vady mendrika, zaza mahafatifaty ny maso, fialan-tsasatra, fahalalana mahasoa, asa tsara, sy ny hafa ankoatr'izany amin'ireo faniriana tsara sy mety, ary ny soa ny any ankoatra, toy ny fiarovana amin’ny famaizana any am-pasana, eo amin'ny fitsanganana, anaty afobe, fahazoana ny hafalian'I Allah, ny fandresena noho ny fahasovana mandrak'izay, ary ny fanatonana an’Ilay Tompo be famindram-po.
Tatitra azo avy tamin'i Shaddad bin Aosi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Lehiben'ny fangataham-pamelana dia ny fitenenana hoe : Allahoumma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Ana Abdouka Wa Ana 'Ala Ahdika Wa Wa'adika Mastatwa'atou; Abou'ou Laka Bini'imatika 'Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innahou La Yaghfirou Zounouba Illa Anta. Izay midika hoe : Tompo Allah o, Ianao no tompoko, Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Ianao, Ianao no nahary ahy ary izaho no mpanomponao, Hanaraka ireo nifanekeko taminao aho sy ny fampanantenana arak’izay vitako, Arovy aho amin’ireo ratsy vitako, Miaiky ireo fahasoavanao ato amiko aho, Miaiky ny fahotako aho, Mamelà ahy, Fa tsy misy hamafa ny fahotako afa tsy ianao irery ihany. Hoy izy : “Ary izay miteny an’izany amin’ny antoandro am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny atoandro alohan’ny ahatongavan'ny hariva, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy, ary izay miteny an’izany amin’ny alina am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny alina alohan’ny ahatongavan'ny maraina, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy".
Al-BukhariManambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fangataham-pamelan-keloka dia misy teny tenenina, ary ny tsara sy ny lehibe indrindra amin'izany dia ny filazan'ny mpanompo hoe : “Allahomma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Anà Abdouka Wa Ana 'Ala Ahdida Wa Wa'adika Mastata'atou; Abou'ou Laka Bini'imatika 'Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innaho La YaghfiroZounouba Illa Anta). Izay midika hoe : Tompo Allah o, ianao no tompoko, Tsy misy tompo afa tsy ianao, Ianao no nahary aho ary izaho no mpanomponao, Hanaraka ireo nifanekeko taminao aho sy ny fampanantenana arak’izay vitako, Arovy aho amin’ireo ratsy vitako, Miaiky ireo fahasoavanao teto amiko aho, Miaiky ny fahotako aho, Mamelà ahy, Fa tsy misy hamafa ny fahotako afa tsy Ianao irery ihany. Manaiky ny fanokanana an'I Allah ny mpanompo aloha, ary Allah no Mpamorona azy sy Allah tsy manana mpiara-miombona Aminy, ary mifikitra izy amin’izay nampanantenainy aAllah Tsitoha, dia ny finoana Azy sy ny fankatoavana Azy, arakizay vitany; Satria ny mpanompo na hiezaka manahoana amin'ny fanompoana ataony dia tsy hahavita manao izay rehetra nandidian’I Allah azy, na manao izay takina amin’ny fisaorana noho ny fahasoavany, fa tokony hanatona an’I Allah izy ka hitady fialofana ao Aminy, satria Izy no fialofana tsara amin’ny ratsy nataon’ilay mpanompo. Ary manaiky an-tsitrapo sy mibaboka Aminy ny fitahiany azy izy, ary miverina amin’ny tenany amin’ny fanekena sy fiaikena ny fahotany sy ny tsy fankatoavany. Aorian’izany fitalahoana amin’I Allah izany, dia mangataka amin’ny Tompony izy mba hamela ny helony mba fanaronana ny fahotany sy hiarovana azy tsy hanota amin'ny alàlan'ny fahasoava avy Aminy sy ny famelan-kelony, satria tsy misy mamela heloka afa-tsy Izy, Ilay Tsitoha, Ilay Lehibe. Avy eo niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa iray amin'ireo tonom-bavaka vakina ny maraina sy ny alina izany, ka izay mamaky azy amim-pitokisana sy mifantoka tsara amin'ny heviny, ary mino izany amin'ny fiandohan'ny androny, eo anelanelan'ny fiposahan'ny masoandro sy ny filentehany, izany dia fotoana amin'ny atoandro, ary avy eo maty dia hiditra ao amin’ny Paradisa. Ary izay miteny izany amin’ny alina, manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny mangiran-dratsy, ary maty alohan’ny mangiran-dratsy, dia hiditra ao amin’ny Paradisa.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Khobaib (R.A), niteny izy : Nivoaka tamin'ny alina be orana sy maizina izahay, nitady an'ilay Irak'Allah (S.A.W) mba hitarika ny fivavahanay, ka hoy izy : “ka hitako izy, dia niteny tamiko hoe : “Teneno”, fa tsy niteny na inona na inona aho. Avy eo niteny indray izy hoe : "Teneno" ka hoy aho: Inona no holazaiko? Hoy izy : «{Lazao hoe : Qol-howallàho Ahad}, izay midika hoe : Izy no Allah Tokana, sy Maw'izhatainy, in-telo isaky ny maraina sy hariva fa ampy hiaro anao amin'ny ratsy rehetra izany".
At-TirmidhiMiteny i Abdollah bin Khobayb (R.A) hoe : Nivoaka tamin'ny alina avy orana be sy maizina izy ireo hitady ny irak'Allah mba hitarika azy ireo hivavaka, ka hitan'izy ireo Izy. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy hoe : “Mitenena”, midika hoe vakio, nefa tsy namaky na inona na inona izy. Naverin'ny Mpaminany (S.A.W) taminy ny teniny, dia hoy i Abdollah : Inona no tokony hovakiko ry Irak'Allah? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Vakio ny Sorate Al-Ikhlas {Qol-Howallaho Ahad, izay midika hoe - Teneno : Izy no Allah tokana} sy ny Soura roa : {Qol Ao'zo birabbil Falaq, izay midika hoe : - Teneno : Mitady fiarovana amin'ny Tompon'ny maraina vao mangiran-dratsy aho}, ary {Qol Ao'zo birabbin nàsi, izay midika hoe : Teneno : Mitady fiarovana amin'ny Tompon'ny olombelona aho}, intelo amin'ny hariva sy maraina, mba hiaro anao amin'ny ratsy rehetra sy hiaro anao amin'ny fahorina rehetra.
Tatitra azo avy tamin'i Sa'adi (R.A) niteny izy : Nisy lehilay arabo tambanivolo iray tonga teo amin’ny Irak’Allah (S.AW) niteny hoe : “Ampianaro zavatra hoteneniko aho.” Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy : «Teneno hoe : Là ilàha Illallàho Wahdahò Là sharìka lahò, Allaho Akbar Kabìra', Walhamdo lillàhi Kathìran, Sobhànallàhi Rabbil-a'lamìna, La hawla walà-qowwata illà billàhil-A'zizol-Hakìm, izay midika hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiombona aminy, Allah no lehibe indrindra, dera betsaka ho an'Allah, dera ho an'Allah tompon'izao tontolo izao, Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah, Ilay Mahery sy Hendry” Dia hoy ilay tambanivolo : Ho an’ny tompoko ireo rehetra ireo, ka inona no mba ho ahy? Dia hoy Mpaminany (S.A.W) : “Teneno : Allahommaghfirli Warhamnì wahdinì warzoqnì. Izay midika hoe : Allah ô, mamelà ny heloko, mamindrà fo amiko, tariho aho, ary omeo anjara aho.”
MuslimNisy lehilahy avy any ambanivohitra nangataka tamin'Irak'Allah mba hampianatra azy tonom-bavaka ho teneniny. Dia namaly azy ny Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : Mitenena : "Là ilàha illallàho wahdahò là sharìka lahò -izay midika hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona aminy.” Nanomboka tamin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fanokanana an'Allah izy, izany hoe tsy misy tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, "Allàho Akbar", Izay midika hoe : "Allah no lehibe indrindra". Izany hoe : Allah no lehibe mihoatry ny zavatra rehetra ary Be voninahitra "Walhamdo lillàhi Kathiran", izay midika fisaorana betsaka no atolotra ho an'Allah Izany hoe : Fisaorana betsaka ho an’Allah noho ireo toetoetrany sy ny asany ary ny fahasoavany tsy tambo isaina. "Sobhanallàhi Rabbil 'alamìn", izay midika hoe : Dera ho an'Allah Tompon'izao tontolo izao. Izany hoe : Manalavitra ny tsy fahalavorariana sy tsy fahatomombanana, "Là hawla wala qowwata Illà billàhil-'Azizil-Hakìm", Izay midika hoe : "Tsy misy hery sy tanjaka afa tsy amin'Allah, ilay Matanjaka sy Hendry". Izany hoe : Tsy afaka miova ho amin'ny hafa ny toe-draharaha iray afa-tsy amin’ny alalan'Allah sy ny fanampiana avy aminy ary ny fanamaivanany. Hoy ilay lehilahy: Ireo teny ireo dia ho an'ny Tompoko sy ny fanomezam-boninahitra Azy, koa inona no tokony hangatahiko ho an'ny tenako? Dia namaly azy ny Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : Mitenena ianao: "Allahommaghfirli", izay midika hoe : Tompo Allah oo, mamela ny heloko Amin'ny famafana ny asa ratsy sy fanaronana azy, "Warhamni", izay midika hoe: mamindra fo amiko Amin'ny fahazoana hatsarana ara-pinoana sy ara-piainana eto an-tany ho ahy, "Wahdinì", izay midika hoe : ary tariho aho Ho amin'ny toe-piainana tsara indrindra sy mankany amin'ny làlana mahitsy, "Warzoqni", izay midika hoe : ary omeo anjara aho Harena madio, fahasalamana, ary ny soa rehetra sy ny fahasalamana.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso ihany. Ary anisan’ny fisehoana ampahibemaso, ny fanaovan'ny olona zavatra amin’ny alina, dia nosaronan’I Allah izany nefa nony maraina, dia hoy Izy : Nanao zavatra izao sy izao aho omaly, nefa ny Tompony dia nanarona azy nandritra ny alina, ary nony maraina dia nesoriny ny fanakonan’IAllah azy”.
Al-Bukhari and MuslimNazavainy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo meloka dia mety hahazo famelan-keloka sy ny famindram-po avy amin'I Allah, afa-tsy izay manambara ny fahotana amin'ny fomba feno fieboeboana sy avonavona ka tsy mendrika ny famelan-keloka. Satria nanao fahotana tamin'ny alina izy ka nosaronan'I Allah, fa rehefa tonga ny maraina, dia nilaza tamin'ny olona izy fa nanao fahotana toy izao sy izao omaly, nefa efa nosaronan'ny Tompony tamin'ny alina, saingy noesoriny ny fanaronan'IAllah azy nony tonga ny maraina!!
Tatitra azo avy amin'i Abo Houraira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Karazany roa amin'ireo olon'ny Afobe tsy nihitako izy ireo, ny olona manana karavasy toy ny rambon’omby ikapohana olona, ary ny vehivavy ratsy fitafy sy mitanjaka, mpanome fakampanahy, tsy mivoana amin'ny tsy fanarahan-dalàna, manojonojo ny lohony toy ny trafon-drameva, tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izy ireo ary tsy haheno ny fofony, ary ny fofony dia heno amin'ny fandehanana tahaka izao sy izao.”
MuslimNy Mpaminany (S.A.W) dia mampitandrina amin'ny karazana olona roa amin'ireo vahoakanyizy roa ireo izay tsy nihitan'ny Mpaminany ary tsy niaina tamin'ny vanim-potoany, fa olona ho tonga aty aoriany : Ny sokajy voalohany : Olona manana karavasy lava toy ny rambon'omby, izay ikapohana olona, izy ireo dia polisy sy iraky ny herim-pamoretana midaroka olona tsy ara-drariny. Ny sokajy faharoa : vehivavy izay nanala ny fitafian’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fahamaotinana izay mahazatra ny vehivavy. Toy izao ny momba azy ireo : miboridana amin'ny endrika mivantana, mitanjaka ara-kevitra; Satria manao akanjo manify izay maneho ny vatana any anatiny, izy ireo manarona ny ampahany amin’ny vatany ary mampiseho ny ampahany hafa, ho fanehoana ny hatsarana, Mampitodika ny fon’ny lehilahy mankany any aminy noho ny fitafian’izy ireo sy ny fidoladolany eny am-pandehanana, mampieboebo ny soriny, ary mampirona ny hafa amin’ny fiviliana sy izay mandavo azy ireo amin’izany. Anisan'ny toetran'izy ireo: ny lohany dia toy ny trafon-drameva izay midoladola, ka ampitomboiny ny haben'ny lohany ary manitatra azy amin'ny famonosana fehiloha sy ny toy izany. Ny fampitoviana azy amin’ny trafon'ny rameva satria ny volony sy ny randranany dia miakatra eo ambonin’ny lohany, ary sarasarahany ny randrany amin’izay ny volony mikipaka amin'ny ilany sy amin'ny ilany , toy ny trafon'ny rameva midoladola amin'ny ilany sy ny ilany. Koa izay manana ireo toetra ireo, dia tafiditra amin'izao fampitandremana mafy izao fa tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izy ireo, na haheno ny fofony, na tsy hanatona azy, nefa ny hanitry ny Paradisa dia heno avy lavitra.
Tatitra azo avy tamin'i Ali (R.A) niteny hoe : Izaho rehefa mandre Hadith avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) nosoavin'i Allah aho amin'izany araka ny hitiavany hanasoa ahy aminy, ary raha misy iray amin'ireo mpanaradia azy milaza Hadith amiko dia asaiko mianiana aloha izy, ka rehefa nianiana izy dia hinoko izay lazainy, ary tena nilaza tamiko i Abo Bakri, ary i Abo Bakri dia marina, niteny izy : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ozò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah", avy eo izy namaky ity andininy masina ity : {Ary ireo rehetra izay nanao fahavetavetana, na koa nanao ny tsy rariny tamin'ny tenany; ka mahatsiaro an'Allah dia mangataka avy hatrany ny famelan-keloka taminy noho ireo heloka vitany} [Ãl Imran: 135].
Abu DawoodNilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy mpanompo nanota, ka manao ozò tsara, avy eo mitsangana manao soalat roa raka't miaraka amin'ny fikasana hibebaka amin'ny fahotany, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin'Allah dia hamela azy Allah. Avy eo dia namaky ny tenin'Allah ilay Tsitoha ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : {Ary ireo rehetra izay nanao fahavetavetana, na koa nanao ny tsy rariny tamin'ny tenany; ka mahatsiaro an'Allah dia mangataka avy hatrany ny famelan-keloka taminy noho ireo heloka vitany; iza moa no mamela heloka afa-tsy Allah? Ka tsy hamerina intsony izay nataony izy ireo, fa efa fantatr'izy ireo izany} [Ãl Imran: 135].