





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, fotsy noho ny ronono ny ranony, manitra noho ny misk ny fofony, ary tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny zingany, ka izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.
Al-Bukhari and MuslimNilaza i Mpaminany (S.W.A) fa hanana dobo izy amin'ny Andro fitsanganana amin'ny maty, ny halavany dia mitovy amin'ny halaviran-dàlana iray volana ary mitovy amin'izany ihany koa ny sakany. Fotsy noho ny ronono ny ranony. Manitra be ny fofony, tsara noho ny hanitry ny Misky. Ary ny zingany dia tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra noho ny hamaroany. Izay misotro amin'io dobo lehibe io amin'ny alàlan'ireo zinga ireo dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.
Tatitra azo avy amin'i Asmaa Binti Abi Bakri (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : “ Hitoetra eo amin’ny dobo Aho mandra-pahitako izay tonga Aminareo hamaly Ahy, ary hisy andian'Olona ho sakanana amin'izany, ka Hiteny Aho amin'izany fotoana izany ny hoe : Tompo ô, avy Amiko sy vahoakako Iny, dia ho lazaina Aminy ny hoe : Tsapanao ve izay nataon’izy ireo tao aorianao ? Tsy nitsahatra izy ireo niverina tamin'ny asan'izy ireo "
Al-Bukhari and MuslimManazava ny Mpaminany (S.W.A) fa amin'ny Andro fitsanganana dia ho eo amin'ny dobony Izy hijereny izay Olona tonga avy amin'ny vahoakany hanatona ny dobo, Ary misy andian'Olona eo akaikiny ho voasakana ka hiteny Izy (S.W.A) hoe : Tompo o ! avy Amiko sy amin’ny vahokako iny. Dia holazaina Aminy ny hoe : Fantatrao ve izay nataony taorian’ny Nandaozanao azy ireo ? Mifanta sy miainiana amin'i Tompo Allah ! fa mbola mihemotra sy mivadika amin’ny finoany izy ireo, ka tsy anisan'ny Mpino na koa vahoakanao izy ireo.
Tatitra azo avy amin'i Abou Zarri (R.D), Niteny ka nanao hoe : Hoy Aho : Ry Iraka mahafatokin'i Tompo 'Allah ô, inona avy ireo Zinga ny dobo ? dia Namaly Izy ka Niteny hoe : “Mifanta sy mianiana amin'ilay mitazona ny fanahin'i Mouhammad (S.W.A) eo am-pelatànany Aho, ireo Kôpiny dia maro mihoatra ny isan'ny kintan'ny planeta eny an-danitra, rehefa amin'ny alina maizina be, ireo Kôpin'ny paradisa dia izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony, ny sakany dia mitovy ny halavany, manelanelan'ny tanànan'ny Ouman sy Aylat, ny ranony tena fotsy noho ny ronono, ary mamy mihoatra ny tantely."
MuslimNifanta sy nianiana i Mpaminany (S.W.A) fa ny Zinga ao amin'ny dobony amin'ny Andro farany dia ho betsaka noho ny isan'ny kintana sy ny planeta eny amin'ny lanitra. Izany dia miseho amin'ny alina maizina tsy misy volana. Satria tsy hita ny kintana amin'ny alina diavolana, Satria voasaron'ny hazavan'ny volana, ary tsy misy rahona; Satria ny fisian'ny rahona manakana ny Olona tsy hahita ny kintana, Ary ny Zinga ao amin'ny Paradisa, izay misotro amin'ny zava-pisotro misy ao dia tsy hangetaheta mandrakizay, ary izany no farany amin'ny hetaheta izay iainan'ny mpisotro. Ary ny dobony dia misy sakeli-drano roa avy any an-danitra mikoriana ao anatiny, ary mitovy amin'ny lavany ny sakany. Mitovy zoro ny dobo, ny halavany dia mitovy amin'ny elanelan'i Amman, izay tanàna ao Balqua ao SHAMI, mankany Ayla, izay tanàna malaza eo amoron'ny SHAMI. Ny rano ao anaty dobo dia fotsy noho ny ronono, ary ny tsirony dia mamy mihoatra noho ny tantely.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.D), fa Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe", nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Izany dia efa ampy. Namaly Izy ka nanao hoe : " Sivy ambin'ny Enimpolo avo heny ka ny iray amin'izany dia tahakan'ny hafanany ".
Al-Bukhari and MuslimMampahafantatra i Mpaminany (S.W,A) fa ny afon'ny eto an-tany dia ampahany kely amin'ny fitopolo ao amin'ny Afobe. Ny afon’ny any ankoatra dia mafana Sivy amby Enimpolo avo heny noho ny hafanan’ny afon’ny eto an-tany, ka isaky ny ampahany dia mitovy amin’ny hafanan’ny eto an-tany. Teo dia nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ny afo eto an-tany efa mahampy amin'ny fanasazina ny Olona ao anatiny, Namaly Izy ka nanao hoe : Ny hafanan'ny Afobe dia mitombo avo heny amin'ny hafanan'ny afo eto an-tany eo amin'ny Sivy ambin'ny Enimpolo eo.
Tatitra azo avy amin'i Zyad bin Labìd (R.D) Niteny ka Nilaza nanao hoe : Niteny zavatra i Mpaminany (S.W.A), ka hoy Izy manao hoe : “ Io dia amin’ny fotoanan’ny fanjavonan’ny fahalalana.” Hoy Aho : “ Ry Iraka mahafatokin’i Tompo Allah ô, ahoana no hanjavonan’ny fahalalana, nefa isika mamaky ny CORAN ary ampianarintsika ny Zanakatsika ihany koa izany, ary ny Zanakatsika no mampianatra izany ny Zanany mandra-pahatongan’ny Andro farany ? Hoy Izy namaly hoe : “ Loza ho an'ny Reninao ry Ziyad, Anao hitako anisan’ny manam-pahaizana indrindra eto Madina, moa tsy mamaky ny Torah sy ny Evanjil ve ireo Jiosy sy Kristianina ireo ? ” Nefa tsy mahay na inona na inona ao Aminy ? ! ".
Ibn MaajahRehefa nipetrapetraka teo amin'ireo Mpanaradiany i Mpaminany (S.W.A) dia Niteny hoe : Amin'io fotoana io esorina ka hanjavona eo amin'ny Olona rehetra ny fahalalana, Ka gaga i Zyad ibn Labÿd Al- Answary (R.D) ary nanontany an'ny Mpaminany (S.W.A), Hoy izy : Ahoana no hovery sy hanjavona eo Aminay ny fahalalana ? ! Nefa Izahay dia namaky Boky masina Koroany, ary efa vitanay tsianjery avokoa izany, miania amin'i Tompo Allah Aho fa ho vakinay ary ampamakinay ireo vady aman-janakay, sy ireo taranaka mandimby Anay, Namaly i Mpaminany (S.W.A) amin'ny fahagagana ka nanao hoe : Nanahirana ny Reninao Ianao O ! Ry Zyàd! Izaho nievitra fa Ianao no anisan'ireo Manam-pahalalana ao Madina ! Avy eo nanazava i Mpaminany (S.W.A) hoe : fa ny fahaverezan'ny fahalalana dia tsy amin'ny fahaverezan'ny Koroany; fa ny fahaverezan'ny fahalalana dia ny tsy fanatanterahana ny Asa, Fa io ny Boky Torah sy ny Evandjily eo ampelatanan'ireo vahoaka ny Djiosy sy vahoaka ny Kristianina, nefa akory tsy nazahoan'izy ireny fahasoavana izany, ary tsy nahatratra ny tanjony akory, izany dia ny fanaovana zavatra amin'izay fantany ihany no ataon'izy ireo.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Irak'Allah (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’I Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa. Miezaha hanao izay hahasoa anao, ary mitadiava fanampiana amin’I Allah fa aza manaiky resy, ary raha misy zavatra manjo anao, dia aza miteny hoe : "Raha mba nanao izao sy izao aho". Fa lazao hoe : “Lahatr’I Allah ary izay sitrapony no ataony.” Eny tokoa fa ny teny “raha” dia manokatra ny asan’i Satana".
MuslimManazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino dia tsara daholo, fa ny mpino izay matanjaka amin'ny finoany, ny fahavononana, ny harenany ary ny lafiny hafa amin'ny hery, dia tsara kokoa sy tian'I Allah Ilay Tsitoha noho ny mpino malemy. Avy eo dia nanoro hevitra ny mpino ny Mpaminany (S.A.W) mba hiezaka hanao izay mahasoa azy amin’ny raharahan'ny fiainana eto an-tany sy ny any ankoatra, sady miantehitra amin’I Allah Tsitoha, mitady ny fanampiany ary matoky Azy. Avy eo, ny Mpaminany (S.A.W) nandrara ny amin'ny tsy fahavitana sy ny hakamoana ary ny vesatra amin'ny fanaovana izay mahasoa amin'ny tontolo roa. Raha miezaka miasa ny mpino, miomana amin'izay ataony, mitady fanampiana amin’I Allah, ary mangataka hatsarana amin’I Allah, aorian'izany rehetra izany dia nahavita ny tokony ho ataony izy, afa-tsy ny manakina ny raharahany rehetra amin’I Allah, ary aoka izy hahafantatra fa ny safidin’I Allah Tsitoha no tsara. Raha misy loza manjo azy aorian'izany dia tsy hiteny izy hoe : “Raha mba nanao izao aho mety ho lasa an'izao sy izao aho”; “Fa ny teny (raha) manokatra ny asan’ny Satana” amin’ny fanoherana ny lahatra sy ny fanenenana amin'izay efa lasa, fa aoka kosa hiteny am-panekena sy am-pifaliana hoe : “Allah efa nandahatra ary izay tiany no nataony”. Fa izay nitranga dia araka izay tian'I Allah satria manao izay tiany Izy, ary tsy misy afaka manoatra ny didiny, ary tsy misy manaraka aorian'ny itsarany.
Tatitra azo avy tamin'i Taosy (R.A) fa tena marina Izy Niteny ka nanao hoe : Nahita sy nahatratra andian'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) Nilaza fa ny zava-drehetra dia lahatra, ka Niteny Izy hoe : Izaho nandre an'i Abdollahi ibn Oumar (S.W.A) Nilaza hoe : Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) nanao hoe : " Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana ".
MuslimNanazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny zavatra rehetra dia efa voalahatra avokoa; Na dia ny tsy fahafana ary izany dia : famelana izay tsy maintsy atao sy ny fanatarana izany amin'ny fotoanany, mahakasika ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary hatramin'ny ezaka izany dia : fahavitrihana sy fahaiza-manao amin’ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary i Tompo Allah dia efa nandahatra ny tsy fahafahana sy ny fazotoana ary ny zavatra rehetra, tsy misy zavatra miseho eto amin'izao tontolo izao afa-tsy hoe efa voalahatra amin'ny fahalalan'i Tompo Allah avokoa ary efa sitrany ihany koa.
Notaterin'i Matar ibn O'kàmis (R.D) : Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) nanao hoe : " Rehefa nodidin'i Tompo Allah ho faty any amin'ny toerana iray ny Mpanompony dia hataon'i Tompo Allah lasa misy antondiany any amin'io toerana io ".
At-TirmidhiMilaza sy mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) : fa rehefa nandahatra sy nanapakevitra amin'ny fahafatesan'ny Mpanompo iray i Tompo Allah nefa tsy ao amin'io tany io ilay Mpanompony, dia hataon'i Tompo Allah misy zavatra ilainy any amin'io toerana io dia tonga any Izy ka eo no hakana ny fanahiny dia eo Izy no maty.
Tatitra azo avy amin'i Abou Horairah (R.D) Niteny Izy ka nanao hoe : Niteny ilay Iraka mahafatokin' i Tompo Allah (S.W.A) tamin'ny Dadatoany ka nanao hoe : " Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany " Hoy Izy namaly hoe : Raha tsy naneso sy nanome tsiny Ahy amin'izany ireo foko sy firazanana Kouraisita - amin'ny fitenenan'izy ireo Ahy hoe : Ny tebiteby ihany no nahatonga Azy hanao izany - dia ny mba ho nampifaly Anao tamin'izany Aho. Teo dia nampidinin'i Tompo Allah ilay andininy Soratra masina hoe : { Innaka Là Tahdy Man Ahbabta Waläki-nnalloaha Yahdiy Man Yasha = Tena marina fa Ianao dia tsy afaka mitarika izay Olona Tianao taritina ry Mouhammadi fa i Tompo Allah irery ihany no mitarika izay tiany } [ Al-qasas :56].
MuslimNiangavy an'ny dadatoany i Mpaminany (S.W.A) teo ampialan'aina mba hiteny an'ilay Teny hoe : Là ilàha illalloahou mba ahafahany hanelanelana Azy amin'ny Andro farany, ary ny mba hijorony vavolom-belona amin'ny finoana Islamo, nefa dia tsy nanaiky hijoro vavolom-belona Izy noho ny tahotra amin'ireo teny ratsy izay mety ho lazain'ireo foko sy firazanana Kouraishita ka mety hiteny Aminy izy ireo hanao hoe : Niditra Islam Izy nohon'ny tahotra amin'ny fahafatesana sy ny fahalemena fotsiny ! Ka Nilaza taminy i Mpaminany (S.W.A) : Raha tsy izany dia nampidiriko hafaliana tao Am-ponao amin'ny fitenenako ny Teny fijorona vavolom-belona ary ny tanjona izay tianao dia nomeko Anao, Nampidinin'i Tompo Allah ny andininy Soratra masina milaza fa tsy manam-pahefana amin'ny fampahitsiana Olona na dia iray aza ato amin'ny finoana Islam i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah irery ihany no manana fahefana ny amin'ny fampahitsiana ny Olona, fa ny an'ny Mpaminany (S.W.A) dia manoro amin'ny toro-làlana sy hitsin-dàlana sy fampielezana amin'ny làlana mahitsy ihany.