





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”
Al-Bukhari and MuslimManambara ny Mpaminany (S.A.W) fa amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, dia haka ny tany ary hanangona azy i Allah, ary hamoritra ny lanitra amin'ny tànany ankavanana, ary hamoritra sy hamadibadika azy amin'ny lanitra sasany ka ho levona, avy eo dia miteny izy hoe : Izaho no mpanjaka, aiza ireo mpanjakan'ny tany?
Tatitra azo avy amin'i Katàdat (R.H) Niteny ka nanao hoe : Nitantara Taminay i Anas ibn Màlik (R.D) fa nisy Lehilahy iray Niteny hoe : O ! Ry Mpaminan'i Tompo Allah ahoana ny fomba hahafan'ny Mpikomy handea amin'ny tarehiny ? Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) fa hoe : " moa va ilay nampandeha Azy tamin'ny tongony roa tsy hahavita hampandeha Azy indray amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany " ka Hoy i Qatada (R.D) : Eny, noho ny voninahitry ny Tompontsika izany.
Al-Bukhari and MuslimNanontaniana i Mpaminany (S.W.A) ahoana no hahafan'ny Mpikomy handea amin'ny tavany amin'ny Andro farany ? ! Dia namaly i Mpaminany (S.W.A) : moa va tsy ilay nahavita nampandeha Azy tamin'ny tongony roa teto an-tany ihany no mahavita ihany koa mampandeha Azy amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany ? ! Fa i Tompo Allah no Tompo Mahefa ny zava-drehetra.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny anjely dia tsy miaraka amin'ny vondrona izay misy alika na lakolosy."
MuslimNilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny anjely dia tsy miaraka amin'ny vondrona manao dia miaraka amin'ny alika, na lakolosy mihantona amin'ny biby fitaingenana, natao izany mba hamoaka feo raha mihetsika izy.
Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Massoud (R.D) : Niteny Taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : mandritra ny Efapolo Andro sy alina, dia mbola tsiron’aina, avy eo miova ho lasa vaingan-dra Efapolo Andro aorian’izany, ary lasa tahaka ny nofon-kena maditidity Efapolo Andro manaraka, ka misy Anjely irahina ka manome fofon’aina Azy, ary asaina manoratra zavatra efatra dia : Ny anjarany, sy fe-potoana izay iainany, ny asa izay hataony (tsara na ratsy), ary ho anisan’ny ory sa olon-tsambatra. Misy Aminareo hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao am-Paradisa (araka ny fahitan’Olona azy), ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany ny asa izay nataony Iny ka manao asan’Olona hiditra ao anaty Afobe Izy, ka maty ao anatin’izany dia lasa tafiditra any amin'ny (Afobe). Ary misy Aminareo ihany koa hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao anaty Afobe, ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany izany dia manao asan’Olona hiditra ao amin'ny Paradisa Izy dia lasa tafiditra ao ".
Al-Bukhari and MuslimNiteny i Ibn Massoud (R.D) fa hoe : Niresaka Taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) ary Izy tokoa no ilay marina mahafatoky amin'ny Teny rehetra izay nolazainy, ary tena azo itokisana Satria i Tompo Allah ilay avo Tsitoha efa nahatoky Azy. Hoy Izy (S.W.A) hoe : Marina tokoa fa ny iray Aminareo dia atambatra sy avory ny fomba izay nohariana Azy, ary izany dia Satria raha misy lehilahy manao firaisana ara-nofo amin'ny vadiny, dia angonina ao an-kibon'ilay vehivavy mandritra ny Efapolo Andro ny tsirinainy ary mijano ho tsirinaina ihany izany. Avy eo lasa vaingan-drà izay mafy sy mahery, izany dia ao anaty Efapolo Andro faha-roa, Avy eo lasa nofonkena izay mitovy amin'ny halebean'ny vongan-kena mety ho tsakona, ary izany dia amin'ny Efapolo faha-telo, Ary i Tompo Allah naniraka ny Anjely hankeo Aminy, ary Izy nitsoka fanahy tao anatiny, rehefa tapitra ny efa-polo andro faha-telo. Nasaina nanoratra teny Efatra ny Anjely : Ny anjarampivelomany, dia ny habetsahan’ny fahasoavana ho azony mandritra ny androm-piainany. Sy ny fe-potoanany, izany dia fe-potoana izay hiainany eto an-tany, Ary ny asany, inona izany ? ho sahirana na koa ho sambatra. Avy eo dia nifanta sy nianiana i Mpaminany (S.W.A) fa misy Olona mety miasa sy manao ny Asan'ireo vahoaka mponinan'ny Paradisa ary izany asa ataony izany dia Asa marina, izany hoe : amin'ny arakan'ny zavatra sy fomba ahitan'ny Olona Azy, ary hitoetra ho toy izany Izy mandra-pahatongavan'ny fotoana manelanelana Azy sy ny Paradisa toy ny sandry iray, izany hoe : ny sisa tavela teo anelanelany sy ny Paradisa dia ny halavan’ny sandry teo Aminy ka nahatratra Azy ny lahatra izay efa vosoratra ao amin'ny Bokiny dia lasa manatanteraka ireo Asa ratsy amin'ny Asan'ireo vahoakan'ny mponin'ny Afobe ka hofaranana any amin'ny izany Izy dia ahiditra ao amin'ny Afobe; Satria ny fepetra handraisana ny Asa soa dia ny fijanonana Aminy fa tsy mivadika, ary sasany kosa dia manao ny Asan'ireo Olon'ny Afobe ka rehefa manakaiky ny hiditra ao Aminy, ny manelanelana Azy sy ny Afobe dia tahaka ny manelanelan'ny ratsan-tanana sy ny kiho, dia handresy azy ny Bokiny sy izay nalahatra ho Azy dia manao Asan'ireo Olon'ny Paradisa Izy ka dia ahiditra any amin'ny Paradisa.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Bazrat Al-Aslami (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy".
At-TirmidhiManambara ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy olona handingana ny toeram-pitsarana ho any amin'ny Paradisa na ny Afobe mandra-panontaniana azy momba ny zavatra maro : Ny voalohany : Ahoana no nandaniany ny fiainany? Ny faharoa : Ny fahalalany, moave notadiaviny noho ny Allah? Niasa tamin’izany ve izy? Nampita izany tamin’ny olona mendrika azy ve izy? Ny fahatelo : Taiza no nahazoany ny volany, halal sa haram? Ary inona no nandaniany an’izany, tamin’ny zavatra ankasitrahan’I Allah sa amin’ny zavatra mahatezitra Azy? Ny fahefatra : Ny vatany, ny heriny, ny fahasalamana ary ny fahatanorany, Ahoana no nanapotehany sy nampiasainy izany?
Tatitra azo avy amin'i Anas (R.D), Niteny Izy ka nanao hoe : Hitantara Aminareo Hadith iray izay reko tamin'ny Iraka mahafatokin'i Tompo Allah Aho, ka tsy hisy hitantara Aminareo izany afa-tsy Izaho ihany : Nandre ny Irakan'i Tompo Allah Aho Niteny ka nanao hoe : " Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray ."
Al-Bukhari and MuslimNanazava i Mpaminany (S.W.A) fa iray amin'ireo famantarana ny fahatongavan'ny Andro farany sy ny Andro ny fitsarana dia hiala eo amin'ny Olombelona avokoa ny fahalalana ara-pinoana, ary izany zavatra izany dia miseho noho ny avy amin'ny fahafatesan'ireo Manam-pahaizana rehetra misy eto an-tany. Ka ny vokany izany dia mitombo sy mihanaka mahay maro sy betsaka ny tsy fahalalana, lasa mitombo avo eny ny isan'ireo mandray anjara amin'ny fijangajangana sy ny fahalotoam-pitondrantena, any ka lasaq mitombo avo eny ihany koa ny isan'ireo mandray anjara amin'ny fisotroana ny toaka, ary lasa mihena andro amanalina ny isan'ireo vatan-dehilahy fa lasa mitombo isa mandrakariva ihany kosa ny isan'ireo vehivavy. Ka dia lasa miafara vehivavy dimampolo indray no manana lehilahy iray izay mitsangana mikarakara ny raharaha momba azy ireo sy mikarakara ihany koa ny tombontsoan'izy ireo.
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”.
Al-Bukhari and MuslimNilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy ho avy ny ora farany raha tsy mandalo fasana ny olona iray ka maniry ny ho faty eo amin'ny toerany, ny antony dia ny fahatahorany ny tenany sao dia ho votsotra aminy ny finoany, noho ny fanjakazakan’ny lainga sy ny olony, ary ny fisehoan’ny fitsapana sy ny fahotana ary ny fahavetavetana.
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.D), fa Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Tsy ho tonga no sady tsy ho avy mihitsy ny Andro farany raha tsy miady amin'ny Jiosy avokoa Ianareo, mandra-pahatongavan'ny vato izay hiafenan'ny Jiosy hiteny hoe : Ry Mpino, misy Jiosy ao aoriako, ka vonoy Izy ."
Al-Bukhari and MuslimNilaza i Mpaminany fa tsy ho tomga ary tsy ho avy mihitsy ny ora raha tsy miady mifamono ny vahoaka Mpino Islamo sy ny ireo vahoaka ny Jiosy. Na dia mandositra ao ambadikIn'ny vato aza ireo Jiosy mba hiafina ny Mpino Islamo; dia efa ho nampitenenin'i Tompo Allah ilay vato ary niantso ny Mpino Islamo ka Niteny hoe : Misy Jiosy miafina ao aoriany mba hahatongavany hamono Azy.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Tsy ho avy ny ora farany raha tsy efa mifanakaiky ny fotoana, ka ny taona iray ho toy ny volana, ary ny iray volana ho toy ny zoma, ary ny zoma ho toy ny andro, ary ny andro iray ho toy ny ora ary ny ora dia ho toy ny fandoroana hazo rofia".
AhmadNilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa iray amin'ireo famantarana ny ora farany ny fifanakakaizan'ny fotoana, ka ny fandehanan'ny taona dia toy ny volana, ary ny volana dia toy ny herinandro, Ary mandalo ny zoma tahaky ny fandalovan'ny andro, ary mandalo ny andro tahaky ny ora iray, Mandeha haingana ny ora, toy ny famaizan'ny ravin-drofia.