





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy amin'i O'thman (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy mpino silamo izay manatanteraka Swalat dimy, tsy ka manao ozò tsara, tamim-pahatahorana, fiankohofana tsara, dia hamafa ny ota vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany dia mandavan-taona.”
MuslimManazava ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy mpino silamo miditra amin’ny fotoam-bavaka dimy ka manatanteraka tsara ny ozò sy mamita izany, avy eo dia manolo-tena amin’ny fivavahany ka ny fony sy ny rantsam-batany rehetra dia mitodika amin’Allah, manome voninahitra ny fahalehibiazany, ary mamita ny fihetsika rehetra ato amin'ny Soalat toy ny fihondrehana, fiankohofana, sy ny sisa, afa-tsy hoe io Soalat io no manafoana ny fahotana madinika vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany valisoa izany dia mitoetra amin’ny fotoana sy amin’ny Soalat rehetra.
Tatitra azo avy tamin'i Ka'ab Ibn O'jrata (R.A), nteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Teny tenenina ao arian'ny Soalat izay tsy maha fatiantoka ny miteny azy – na manao azy – isaka aorian’ny Soalat dimy: Fiderana telo amby telopolo, fisaorana telo amby telopolo, ary “Takbira” efatra amby telopolo.
MuslimNolazain'ny Mpaminany ireo tonombavaka izay tsy hahavery na hanenenana ny miteny izany, fa hahazo valisoa amin'ireo teny ireo, ary ny sasany dia manaraka ny sasany, ary vakina izany aorian'ny Soalat dimy dia: “Sobhànallah - Voninahitra ho an’Allah - in-telo amby telopolo, izany hoe fiderana an'Allah manalavitra ny tsy fahalavorarina sy ny tsy fahampiana. Ary "Alhamdo lillàhi - fisaorana an'Allah - in-telo amby telopolo, izay famaritana an’Allah amin’ny fahafenoana tanteraka miaraka amin’ny fitiavana sy fanomezam-boninahitra Azy. Ary "Allaho Akbar - Allah no lehibe indrindra - in-efatra amby telopolo, fa lehibe Allah sy Be voninahitra ary Mahery noho ny zavatra rehetra.
Tatitra azo avy tamin'i Saa'd bin Abi Waqqàs (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay miteny rehefa mandre ny mpiantso hoe: ‘Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho, wa anna mohammadan a'bdoho warasòloho, Radÿto billàhi Rabban Wabimohamadin Rasòlan wa Bil-Islami Dìnan, dia ho voafafa ny fahotany.
MuslimNiteny ny Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny rehefa mandre ny mpiantso “Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho”, izany hoe : Manamafy aho sy manaiky ary mampahafantatra fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah, ary ny tompo rehetra ankoatra Azy dia sandoka. “wa anna mohammadan abdohò warasòlohò”, izany hoe: mpanompo tsy azo ivavahana izy ary iraka tsy mandainga. “Radwìto billàhi Rabban - Faly aho amin'ny maha Tompoko an'Allah”, izany hoe : Ny maha Zanahary Azy, ny maha Tompo tompoina Azy, ny amin'ireo Anarany, sy ireo ny Toetoetrany. "Wa bimohammadin Rasòla - Ary i Mohammad dia Iraka", midika hoe: amin'ny rehetra nanirahana azy sy nampitaina taminay. "wa Bil-Islàmi Dìnan -Ary ny Islamo no finoako", midika hoe : amin'ny lalàna rehetra ao min'ny finoana Islam, amin'ireo didy rehetra fanaovana sy fanakanana. "Dìnan - Finoana" midika hoe : finoana sy filavoan-defona, “Ho voavela ny helony”, midika hoe : ireo heloka madinika.
Tatitra azo avy tamin'i Amr bin Salim Al-Ansari niteny hoe : Mijoro ho vavolombelona amin'i Abo Saì'd aho fa niteny izy : Mijoro ho vavolombelona aho fa niteny ny Mpaminany (S.A.W) : “Voadidy amin'ny olona ampy taona ny mandro amin’ny andro zoma, ary tsaratsara raha mampiasa ranomanitra raha misy”.
Al-Bukhari and MuslimNohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fandroana amin'ny andro zoma dia tsy maintsy ho an'ny lehilahy mpino silamo ampy taona rehetra izay voadidy hanatrika ny Soalat zoma. Ary hanadio ny nifiny amin'ny siwàk sy ny toy izany. Ary manao manimanitra amin'izay fofona manitra tsara
Tatitra azo avy amin'i Khouraim Ibn Fatik (R.D), Niteny : Niteny i Mpaminany (S..W,A) manao hoe : " Ny asa rehetra dia miisa Enina, ary ny Olona rehetra dia miseho amin'ny endrika Efatra, ary misy didy roa sy ohatra roa, ary ny valisoa dia hampitombona folo avo heny, ary asa soa dia eo amin'ny fiton-jato , fa ny didy roa dia : Izay Maty ka tsy nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia izany Olona izany dia hiditra amin'ny Paradisa, fa izay Maty ka nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia ireny kosa dia hiditra amin'ny Afobe, fa ny mitovy dia izay miheritreritra Hanao asa soa ka tsapany avy ao Am-pony dia ahazoana valisoa iray izany, fa izay Manao asa ratsy kosa dia ahazo valiny iray monja ihany, fa izay Manao asa soa dia mahazo folo, fa izay mamoaka amin'ny làlan'ny Tompo Allah dia ahazo valiso fiton-jato. Fa ny Olombelona dia : Misy manana eto an-tany ary mahantra any amin'ny Andro farany, ary mahantra eto an-tany Sambatra any an-koatra, ary Sahirana eto an-tany sy any ankoatra ary misy koa ny Sambatra eto an-tany sy any ankoatra".
AhmadNampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa dia misy karazany Enina, ary ny Olombelogna mizara Efatra. Fa ny asa Enina dia ireto avy : Voalohany : izay Maty ka tsy nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia lasa voadidy Aminy ny miditra amin'ny Paradisa. Faha-Roa : Izay Maty amin'ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa na dia kely aza dia lasa voadidy Aminy avy hatrany ny miditra ao amin'ny Afobe. Izy roa ireo no antsoina hoe : Didy anaki-roa. Faha-Telo : ny asa soa nokasaina. Raha misy Olona mikasa ny hanao asa soa ary tena marina amin'ny fikasany mandra-pahatsapany izany ao am-pony ary fantatran'i Tompo Allah avy aminy izany fikasana izany, avy eo misy zavatra miseho Aminy ka tsy nahafahany manao izany, dia voasoratra ho hatsarana feno ho Azy ihany izany na dia mbola tsy Nataony aza. Faha-Efatra : Ny ratsy vita, izay Manao ratsy, dia fahotana iray ihany no hosoratana ho Azy manoloana an'izany. Izy roa : izay natao ihany no ho azony fa tsy misy fitombohany. Ary faha-Dimy : Ny asa soa iray dia mitombo folo avo heny, izany dia ho an'izay rehetra nikasa hanao asa soa ka notanterahiny; dia ho soratana hatsarana folo avy hatrany no hazony. Faha-Enina : Ny asa soa dia mitovy amin'ny asa soa fiton-jato, ary izay namoaka fanomezana iray monja amin'ny làlan'i Tompo Allah, ary izany asa soa izany dia voasoratra ho asa soa fiton-jato ho azy, ary izany dia avy amin'ny fahasoavan'i Tompo Allah sy fahalalahan-tanan'ny amin'ireo Mpanompony. Fa ireo karazan'Olona Efatra kosa dia ireto avy : Ny voalohany : Izay manana vatsy eto an-tany, ary voatahy amin’izany, dia mahazo izay tiany, saingy voafefy any an-koatra ary any amin’ny Afobe no alehany. Izany dia mpanankarena tsy Mpino. Ny faha-Roa: ilay tery ny fivelomany eto an-tany, nefa midadasika ho Azy izany any an-koatra, ary any amin’ny Paradisa no alehany, izany dia lazaina fa Mpino mahantra. Ny faha-Telo : Izay ory eto an-tany sy any ankoatra, izy dia lasa Olona mahantra sady tsy Mpino. Ny faha-Efatra : Izay manana eto an-tany sy ny any ankoatra, ary izany indrindra no lazaina fa Mpino manankarena. +
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo".
MuslimNohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy hiditra ny Paradisa raha tsy ireo mpino ihany, ary tsy ho feno ny finoana ary tsy mihatsara ny fiarahamonina silamo raha tsy mifankatia samy izy ireo. Dia notarihin'ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny zavatra tsara indrindra izay hampanjaka ny fitiavana, dia ny fampielezana fifampiarahabana (salamo) eo amin'ny samy mpino silamo, izay nataon'Allah ho fiarahabana amin'ireo mpanompony.
Tatitra azo avy amin'i Abi Omama (R.A) : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) nitory teny tamin'ny Hajj fanaovam-beloma manao hoe : “Matahora an’I Allah Tomponareo, ary mivavaha aminy in-dimy isan’andro, mifeheza mandritra ny iray volana, ary aloavy ny zakat amin’ny fanananareo, ary ankatoavy izay mpitondra aminareo, dia hiditra ao amin’ny Paradisan’ny Tomponareo ianareo.”
Ibn HibbaanNanao toriteny tamin'ny andron'i Arafa ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fivahiniana masina fanaovam-beloma tamin'ny taona fahafolo Hijria, ary izany no anarana nomena azy. Satria izy Mpaminany (S.A.w) tamin'io fotoana io no nanao veloma ny olona. Nandidy ny olona rehetra izy mba hatahotra ny Tompony amin’ny fankatoavana ny didiny sy ny fiatahana amin’ny fandrarany. Ary hanatanteraka ny vavaka in-dimy izay napetrak'I Allah ho adidy amin'ny andro sy ny alina. Ary hifehy amin'ny volana Ramadany. Ary ny famoaka ny Zakat amin'ny ho an'ireo mendrika izany ary tsy hahihitra ny aminy. Ary hankatò an’ireo notendren’I Allah ho mpitondra azy ireo, raha tsy ao anatin'ny fikomiana an'I Allah. Ka izay manao ireo zavatra voalaza ireo, dia ny fidirana ao amin’ny Paradisa no valisoany.
Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nisy Lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, ka Niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : " Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Iraka mahafatokin'i Tompo Allah va Ianao ? " naveriny in-telo. dia Namaly Izy hoe : Eny, Niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : " izany dia mamafa Azy rehetra izany ".
Abu Ya‘laaTonga Lehilahy iray teo amin'ny Mpaminany (S.W.A) ary Niteny Izy ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, marina tokoa fa efa nanatanteraka ireo fahotana sy ny fahadisoana rehetra ny Tenako, ka tsy misy navelako na kely na lehibe afa-tsy hoe nataoko avokoa izany, Ka moa ve ho hahazo famelan-keloka fona Aho ? Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) ka Nilaza nanao hoe : Moa va tsy efa nijoro vavolombelona Ianao fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary Mouhammadi (S.W.A) dia irakan'i Tompo Allah ? Naverimberiny Taminy in-telo izany, Ka hoy Izy Namaly hoe : Eny Mijoro vavolombelona marina Aho, Nilaza taminy i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahasoavan'izany fijorona vavolombelona roa izany dia ny famafana ireo haratsiana, ary ny fibebana dia mamafa ireo rehetra teo aloha.
Tatitra azo avy tamin'i Jàbir bin Abdillah (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala, na koa ho entina hahazoana toerana tsara, fa izay manao izany dia Afobo Afobe".
Ibn MaajahNampitandrina i Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fitadiavana fahalalana noho ny fireharehana sy ny fisehosehoana amin’ireo manam-pahaizana, na ny hanehoana fa manam-pahaizana toa anareo aho, na entina miresaka sy miady hevitra amin’ireo bado sy malemy- saina, na koa hianarana mba hazoana toerana, omena laharam-pahamehana noho ny hafa. Fa izay manao izany dia; miendrika azy ny afobe noho ny fisehosehoany amin'ny asany ary tsy fisian'ny fahadiovam-po amin'ny fitadiavany ny fahalalana ho an'i Allah.