





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Notaterin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (R.D), Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo 'Allah (S.W.A) ka nanao hoe : " Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia hametraka Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra izay nohariany amin'ny Andro farany , ka dia havelatra eo Aminy ny takelaka sivy ambiny sivifolo, ka isaky ny takelaka dia toy ny fara-taka-maso, avy eo dia ho lazaina Aminy ny hoe : lavinao va ireto, nanao tsy rariny Taminao va ireo Anjely izay mpandray an-tsoratra an'ireo asa izay niandraiketan'izy ireo ? ka Hilaza Izy ka hanao hoe : Tsia Tompoko; ka manana fialantsiny mahakasika ny amin'ny izany va Ianao, dia namaly Izy ka nilaza nanao hoe : Tsia Tompoko, ka noho izany dia ho lazaina Aminy : Eny fa manana tombotsoa iray ety Aminay Ianao, Satria tsy hambakaina Ianao androany, avy eo dia avohaka ny karatra iray izay misy ireo Fijorona vavolombelona fa tsy afaka manompo afa-tsy i Tompo Allah irery ihany ary i Mpaminany Mouhammadi (S.W.A) no Irany, ka lazaina ny hoe : Ento aty ho lanjaina ka hilaza Izy hanao hoe : O Ry Tompo Allah ! Inona no lanjan'ity karatra ity eo anatrehan'ireo takelaka maro be samy hafa ireo, Dia holazaina Aminy ny hoe : Tsy hambakaina Ianao Androany, Nilaza Izy : Natao teo ambonin'ny Mizana fandanjana ireny takelaka ary ny ilany nametrahana ilay Karatra, nipitika ireny takelaka ary navesatra ny karatra ka tsy misy zavatra havesa-danja eo anatrehan'i Tompo Allah mihoatry ny Anaran'i Allah".
At-TirmidhiNampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah dia hisafidy Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra amin'ny Andro farany Andron'ny fitsanganana amin'ny maty, ka antsoina ary ho tsaraina, dia aseho azy sivy amin'ny sivifolo takelaka ka izany no pejin'ny asa ratsy izay nataony teto ambonin'ny tany, Ny halavan'ny rakitsoratra tsirairay dia lavitra araka izay hitan'ny maso. Avy eo Miteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha amin'izany Olona izany ka hanao hoe : Lavinao ve izay rehetra voarakitra ato amin'ireto rakitsoratra ireto ? Nanambaka Anao ve ireo Anjeliko izay mpandray an-tsoratra ? Ka hamaly ilay Olona fa hoe : Tsia ry Tompo. Dia miteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha ka hanao hoe : Manana fialan-tsiny mazava ve Ianao amin'ireo zavatra rehetra natolotrao tamin'ireo asa rehetra izay nivitanao teny ambonin'ny tany ? Ohatra toy ny fanadinoana sy ny fahadisoana na koa noho ny tsy fahalalana. Hamaly ilay Lehilahy ka Niteny hoe : Tsia ry Tompo, tsy manana fialan-tsiny ami'izany rehetra izany Aho. Dia miteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha, Marina tokoa fa manana asa soa iray Ianao aty Aminay, ary tsy misy fanambakana hahazo Anao Androany. Nilaza Izy hoe : havoaka eo anatrehany ilay karatra misy soratra hoe : Mijoro vavolom-belona Aho fa tsy misy Tompo afatsy i Tompo Allah, ary mijoro vavolom-belona Aho fa i Mouhammadi (S.W.A) dia mpanompony no sady Irany. Dia miteny i Tompo Allah manao hoe : Ho an'ity Lehilahy ity, ento ny Mizananao. Gaga ilay Lehilahy ka Niteny nanao hoe : Tompo ô ! Inona ny lanjan'ity karatra ity manoloana ireto rakitsoratra ireto ? ! Mamaly i Tompo Allah fa hoe : Tsy misy fanambakana mahazo Anao Androany. Nilaza Izy : ka apetraka izany rakitsoratra maro izany amin'ny ilan'ny Mizana, ary ilay karatra amin'ny ilany; Noho izany dia nihanamaivana ny ilan'ny mizana misy ny rakitsoratra, ary nihozongozona sy navesatra ny ilan'ny mizana misy ny karatra, ka namela azy i Tompo Allah.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.D), fa Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) fa nanao hoe : “ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Tompo Allah, dia naniraka an’i Anjely Jiborilo (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy Olona hiditra ao. Dia hoy i Tompo Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jiborilo, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny Olona fa dia hiditra ao avokoa.
Abu DawoodNampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah rehefa nanamboatra ny Paradisa sy ny Afobe, Dia Niteny tamin'ny Anjely Jiboriol (AS) Izy ka nanao hoe : Mandeana Ianao ao amin'ny Paradisa ka jerevo avokoa ny ao anatiny, Nandeha nijery tao Izy avy eo niverina, Ka Niteny i Jiborilo nanao hoe : O ry Tompo, Mihaniana amin'ny Herinao Aho fa izay maheno izany sy izay fahasoavana ao anatiny ary ny Voninahitra sy ny hatsarana afa-tsy hoe mankatia ny hiditra ao Aminy avokoa, ary hanatanteraka ny asa noho izany. Avy eo dia nirakofan'i Tompo Allah ny Paradisa ary nofefeny ireo fahasahiranana sy fankasarotana amin'ny fanatanterana ny didy amambaikony sy ny fisitahana ireo zavatra rehetra izay voarara; fa ho an'izay mankatia ny hiditra ao dia tsy maintsy miaina amin'io fahasahiranana io. Avy eo Niteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha ka nanao hoe : O ry Jiboriol ! Mandehana mijery ny Paradisa, rehefa voahodidin’ny fahasahirana sy fankasarotana. Lasa Izy nijery tao, avy eo nilaza ka nanao hoe : O ry Tompo ! Mifanta sy mianiana amin'ny Herinao Aho matahotra Aho fa tsy misy hiditra ao na dia iray aza nohon'ny fahasahiranana sy ny fahasarotanan'izany làlana makany izany. Ary rehefa noharin'ny Tompo Allah ny Afobe, dia Niteny Izy ka nanao hoe : O ry Jiborilo ! Mandehana jerevo ny ao anatiny, lasa Izy ka nijery tao anatiny. Avy eo tonga Izy ka Niteny i Jiborilo fa hoe : O ry Tompo ! Mifanta sy mianiana amin'ny Herinao Aho fa tsy misy Olona maheno ny ao anatiny amin'ireo sazy sy ny famaizana ary fahasarotanana, afa-tsy hoe hankahala ny fidirana amin'izany toerana izany ary ankalavitra tanteraka ireo antony mety hampiditra ny ao anatiny. Avy eo nirakofan'i Tompo Allah ny Afobe ary nataony ny làlana mankany dia ny fafinaretana sy ny fitiavana ny tsiron-javatra avy eo niteny Izy ka nanao hoe : O ry Jiborilo ! Madehana mijery ny ao anatiny. Lasa i Jiborilo (A.S) nijery ny tao anatiny, avy eo tonga Izy ka nilaza nanao hoe : O ry Tompo !, Mifanta sy mianiana amin'ny Herinao Aho, atahorako ary tsy hinoako fa tsy misy avotra amin'izany na dia iray aza; noho ireo zavatra manodidina azy amin'ireo fafinaretana sy ny fitiavan-javatra.
Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (RD), Niteny ka nanao hoe : Izaho naheno an'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : " Nosaratan'i Tompo Allah ireo didy momba ny lahatra amin'ireo zavaboary talohan'ny Nanamboaran'i Tompo Allah ireo lanitra sy ny tany teo amin'ny dimy alina taona , ka hoy Izy nanao hoe : “ Ary eo ambonin’ny rano ny seza fiandrianany .”
MuslimMilaza amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah dia nanoratra ny amin'ny antsipiriany ny anjaran'ny zavaboary tsirairay izay mbola hitranga eo amin'ny fiainan'izy ireo, toy ny fiainana, ny fahafatesana, ny fivelomana sy ny zavatra hafa maro ihany koa, ao amin'ny solaitrabe voatahiry dimy alina taona talohan'ny namoronany ny lanitra sy ny tany, dia ho tanteraka avokoa izany arakan'izay efa nandidiany fanapahan-kevitran’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha Ka izay zavatra rehetra miseho sy mitranga dia araka ny lahatra izay efa nandaharan'ny Tompo Allah azy. Ka izay rehetra manjo sy mahazo ny mpanompo iray dia tsy hafaka ho tafihala amin'izany Izy, ary izay rehetra tsy nanjo sy tsy nahavoa Azy ihany koa dia efa voasoratra Aminy.
Tatitra azo avy amin'i Omar Bin Al-Khatwab (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (SAW) manao hoe : “Marina tokoa fa Allah dia mandrara anareo tsy hianiana amin’ny razanareo.” Hoy i Omar : “Mianiana aho amin'I Allah, fa tsy nianiana tamin’izany intsony aho hatramin’ny nandrenesako ny irak’Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy nanadino na koa nankatia.
Al-Bukhari and MuslimNilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Tompo Allah mandrara ny fianianana amin’ny razambe, ka izay te hianiana dia tsy tokony hianiana afa-tsy amin’I Allah ihany, fa tsy mianiana amin’ny zavatra hafa. Avy eo i Omar bin Al-Khattab (R.A) nilaza fa tsy nianiana tamin' izany intsony izy hatramin'ny nandrenesany ny irak'Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy fananiana no sady tsy naheno fianianana nataon'ny olona tamin'ny zavatra hafa.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah Bin Mas’odi (R.A) : Niteny ny Irak'allah (S.A.W) manao hoe : “Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”.
Al-Bukhari and Muslim. This is the wording of MuslimNilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra voalohany hotsaraina eo amin'ny samy olombelona amin'ny tsy rariny nifanaovan'izy ireo amin'ny andro farany dia ny rà, toy ny famonoana sy ny fandratrana.
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Àbbàs (R.A) niteny manao hoe: Nandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : “Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka” Avy eo dia naka ravin-kazo mando izy, nozarainy roa, ary napetany teo amin’ny fasana tsirairay avy. Hoy ireo mpanaradiany : “Ry irak’Allah ô, nahoana ianao nanao an'io? Dia hoy izy : “Angamba hanome fanamaivanana ho azy ireo izany, raha mbola tsy maina izy roa (ravin-kazo).”
Al-Bukhari and MuslimNandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Tena iharan'ny sazy tokoa ny tompon’ireo fasana roa ireo; nefa tsy voasazy izy roa noho ny fahotana lehibe araka ny noeritreretinareo, na dia lehibe aza izany eo anatrehan’Allah. Ny iray tamin’izy roa dia tsy niraharaha amin'ny fiarovana ny vatany sy ny lambany rehefa mipipy eo am-pamoahana ny malotony. Ny iray kosa dia nanely fosafosa teo amin’ny olona, nampita ny tenin’ny hafa tamin’ny fikasana hanisy ratsy sy hiteraka tsy fitovian-kevitra ary fifanolanana eo amin’ny samy olona.
Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona".
An-Nasaa’iNandrara ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fitenenan'ny mpino silamo amin'ny teniny hoe : "Raha sitrak'i Allah sy sitrak'i ranona", Na raha sitrak'Allah sy i ranona; Satria ny sitrapon'Allah sy izay tiany dia tsy misy fetrany ary tsy misy miara-miombona aminy amin'izany, Ka ny fampiasana ny matoan-teny mpampitohy etoana dia manambara fa misy hafa mpiara-miombona amin'Allah ary mitovy tantana izy roa. Saingy aoka hiteny izy hoe : Raha sitrak'Allah, avy eo raha sitrak'i ranona, Noho izany dia ataony manaraka ny sitrapon’Allah ny sitrapon’ilay mpanompo amin’ny filazana hoe : “avy eo” fa tsy hoe “sy”, satria ny hoe “avy eo” dia midika ho manaraka sy aorina.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany, ary izay miantso amin'ny fahaverezana dia hahazo fahotana tahaka ny fahotana ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny fahotany".
MuslimNambaran’ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa izay mitarika sy manoro làlana ary mamporisika ny olona ho amin’ny làlana misy ny fahamarinana sy ny hatsarana, amin’ny alàlan’ny teny na ny fihetsika dia hahazo valisoa mitovy amin’ny azon'ireo nanaraka azy, tsy misy fihenana na dia kely amin'ny valisoa azon’ny mpanaraka izany. Ary izay mitarika sy manoro làlana ny olona ho amin’ny lalan-diso, sy ratsy, izay misy fahotana sy fahadisona, na zavatra tsy azo atao, amin’ny alàlan'ny teny na amin’ny fihetsika, dia hibaby enta-mavesatra mitovy amin’ny fahotan’izay manaraka azy izy, nefa tsy misy fihenana na dia kely amin’ny fahotan'izy ireo izany.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Massodi (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana.
Ibn MaajahNampitandrina ny amin'ny finoanoam-poana ny Mpaminany (S.A.W), satria izy io dia finoana zavatra re na hita, na vorona na biby, olona manana fahasembanana, na isa, na andro, na zavatra hafa ankoatr'izany. Nolazaina fotsiny ny vorona eto satria izany no fanta-daza tamin'ny andron'ny habadoana, ary ny fiaviany dia ny famotsorana ilay vorona rehefa manomboka hanao zavatra iray toy ny fandehana-davitra, varotra, na zavatra hafa; ka raha nanidina tany ankavanana dia velom-panantenana ary miroso amin'ny zavatra tiany hatao, ary raha nanidina miankavia izany, dia raisiny ho fambara-ratsy ka manatsahatra ilay saika hataony izy. Nilaza izy fa fanompoan-tsampy izany, ary ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy; Satria tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy mahatohitra ny ratsy afa-tsy Allah irery ihany, izay tsy manana mpiombona miaraka Aminy. Nilaza i Ibn Masod (R.A) fa mety hilatsaka ao am-pon'ny mpino silamo ny finoanoam-poana, saingy tsy maintsy misoroka izany izy amin'ny alàlan'ny fianteherana sy fitokisana an'I Allah, miaraka amin'ny fandraisana andraikitra.