





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ireo mpino (R.A) niteny : Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommo Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.
Al-Bukhari and MuslimNitantara tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny Renin'ny mpino Ommou Salama (R.A) fa tamin'izy tany amin'ny tanin'i Abyssinia, dia nahita fiangonana iray - antsoina hoe Maria - nisy sary sy haingo ary sary vongana, noho ny fahagagany amin'izany izy! Nanazava ny antony nametrahana ireo sary ireo ny Mpaminany (S.A.W); Ka niteny izy : Ireo olona lazainao ireo dia raha misy olona iray mendrika maty eo amin'izy ireo, dia hanorenan'izy ireo moske eo ambonin'ny fasany, hivavahana ary hanamboaran'izy ireny sary ireny. Nohazavainy fa izay manao izany dia zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah ilay Tsitoha. Satria ny fihetsika izany dia mitarika ho amin’ny fanompoan-tsampy.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Al-Bukhari and MuslimNampitovin'ny Mpaminany (S.A.W) ny finoana silamo tamin'ny trano mafy orina, amin'ny alalan'ireo andry diminy, izay mitondra izany trano izany, ary ireo rafitra ny finoana silamo sisa dia mitovy amin'ny famenon'izany trano izany. Ny voalohany amin'ireto andry ireto: dia ny fijorona vavolombelona roa; Fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad dia irak’Allah, ary andry iray ihany izy roa ireo; Ny iray amin'izy roa dia tsy afa-misaraka amin'ny iray hafa, ny mpanompo dia manonona azy roa, manaiky ny maha-tokana an'Allah sy ny maha mendrika ny hivavahana Aminy irery fa tsy misy hafa ankoatra, manao zavatra mifanaraka amin'izany, ary mino ny hafatr'i Mohammad (S.A.W) ka manaraka Azy. Ny andry faharoa : Ny fananganana ny fivavahana Swalat, dia ireo vavaka dimy tsy maintsy atao amin’ny andro sy ny alina : ny Fajr, ny Zouhr, ny Asr, ny Mghrib, ary ny Isha, miaraka amin'ny fepetra rehetra takina aminy sy ny andriny ary izay tsy maintsy atao aminy. Ny andry fahatelo : Famoahana ny zakat tsy maintsy aloa, izy io dia fanompoana tsy maintsy atao amin'ny harena rehetra izay mahatratra ny fatra ao amin'ny lalàna silamika, izay omena sy atolotra ho an'izay mendrika izany. Ny andry fahefatra : Hajj, izay fikasana ho any Lameka hanao ireo fombafomba ho fanompoana an’I Allah Ilay Tsitoha. Ny andry fahadimy : Ny fifehezana Ramadany, io dia ny fifadiana amin'ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny zavatra hafa manapaka ny fifehezana miaraka amin’ny fikasana hanompo an’I Allah, manomboka amin’ny maraina vao mangirandratsy ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Saï'd Al-Khodory (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe : " Na iza na iza eo Aminareo mahita zava-dratsy manadalo sy miseho, dia aoka Izy hanala sy hanova izany amin’ny Tànany, fa raha tsy vitany kosa ny hanova izany dia aoka hataony amin’ny Lelany, ary raha mbola tsy vitany ihany koa dia aoka hataony amin’ny Fony izany fanobana izany, ary izany no tena malemy sy ambany indrindra eo amin’ny Finoana ".
Muslimi Mpaminany (S.W.A) dia mandidy Atsika amin'ny fanovana ny faharatsiana - ka izany dia izay rehetra noraran'i Tompo Allah sy ny Irany - arak'izay fahafahana vitany. Ka izay rehetra mahita ny faharatsiana dia tsy maintsy manova izany amin'ny Tànana Izy raha toa ka manampahefana ny amin'izany. Raha tsy afaka manao an'izany Izy dia aoka ary ny mba hanova izany amin’ny alalan'ny Lelany, izaby hoe : amin’ny alàlan'ny fandrarana sy fisakanana an'ireo Mpanao ny ratsy sy fanazavana Aminy an'ireo loza mety hanjo Azy, ary ny mba mitarika Azy ho any amin’ny tsara ka hiala amin’izao faharatsiana izao. Fa raha mbola tsy vitany ihany koa ilay ambaratonga voalaza io dia aoka Izy hanova izany ao Am-pony amin'ny alalan'ny fankahalana izany faharatsiana izany ary hanapa-kevitra fa raha mahavita manova izany Izy dia hanao izany fanovana izany tokoa. Ary ny fanovana amin'ny alalan'ny Fo no fari-pinoana malemy sy ambany indrindra amin'ny fanovana manoloana ny ratsy rehetra.
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Mas'ond (R.D), Niteny Izy ka nanao hoe : Niteny lehilahy iray ka nanao hoe : Oh ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Moa va ho sazina tokoa Izahay amin'ireo zava-bitanay tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana ? Namaly i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany ".
Al-Bukhari and MuslimManazava i Mpaminany (S.W.A) ny hatsarana amin'ny fidirana ao amin'ny Finoana Islam. Ary izay nandray ka niditra nanaraka ny Finoana Islam ary nankatsara ny finoany no sady madio Fo sy marina; dia tsy anisany ireo izay ho tsaraina amin'ny fahotana nataony Izy nandritra ny vanom-potoanan'ny habadoana izay nanaovany izany fahotana sy fahadisoana izany. Ary izay nanaratsy ny fitondran-tenany tato amin'ny Finoana Islam ka nihatsaravelatsihy na koa nivadi-pinoana ka niala amin'ny Finoana Islam; dia ho tsaraina amin'izay rehetra vitany tamin'ny tsy finoany sy izay rehetra nataony tato amin'ny Finoana Islam.
Tatitra azo avy amin'i Jàbir (R.D) nanao hoe : Nisy lehilahy iray nanontany an' ilay iraka mahafatokin' i Tompo Allah (S.W.A), ka niteny Izy manao hoe : " Hitanao, raha toa ka manatanteraka an'ireo fanompoam-pivavahana Soalat izay voadidy Amiko Aho, ary manatanteraka ihany koa ny fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany, ary nanaja tsara ny ara-dalàna izany hoe : (ireo zavatra HALAL) sy nisitaka avokoa an'ireo zava-boarara izany hoe : (ireo zavatra HARAM), ka tsy manampy amin'izany intsony, Moa ve ahazo an-jara hiditra ao amin'ny Paradisa ny Tenako ?, Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Eny ", Nilaza izy no sady nanao fianiana amin'ny Tompo Allah fa hoe : tena marina Aho fa tsy hanampy mihoatra izany intsony.
MuslimManazava i Mpaminany (S.W.A) fa izay manatanteraka ireo fanompoam-pivavahana dimy izay voadidy Aminy, ary tsy nanampy ankoatr'izany amin'ireo Soalat sounnat, ary nifehy amin'ny volana Ramadany ka tsy nanampy ireo fifadiankanina an-tsitrapo, Mino ny maha mety sy Halal ny zavatra iray ka notanterahiny antsakany sy andavany, ary mino fa voarara ny zavatra iray ka nalaviriny, ka izay Olona manana izany fotokevitra izany dia hiditra ao amin'ny Paradisa.
Tatitra azo avy tamin'i Abi Màlik Al -Ach'ary (R.D) niteny : Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.S) ka naanao hoe : " Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : " Alehamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Tompo Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany ; ny Soalat (fanompoam-pivavahana an'i Tompo Allah) dia hazavana; ny Soadakat (fanomezana an-tsitrapo) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny faharetana dia fanilo, ary ny Boky masina Koroany dia porofo miaro Anao amin'ny rehetra na mety manohitra Anao ihany koa. Ka ny Olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalàn'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika Azy. "
MuslimMampafantatra i Mpaminany (S.W.A) : Marina tokoa fa ny fahadiovana ivelany dia atao amin'ny alàlan'ny Ouzou sy ny fandroana ary izany tokoa no fepetra takina amin'ny Soalat. Ary ny fitenenana " Alehamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny mizana ny vato fan-dajana izay midika ho fiderana an'i Tompo Allah sy Fahamasinana ho Azy, ary fandokafana Azy amin'ireo laza feno izay mameno ny mizanan'ny asa soa amin'ny Andron'ny farany, Andro ny fitsanganana amin'ny maty. Ary tena marina fa ny fitenenana ilay teny hoe : " Soubhànalloahy woalhamdou Lillahy " dia fampisitahana tanteraka an'i Tompo Allah amin'ny tsy fahafenoana sy ny fiderana Azy amin'ny fahafenoana tanteraka izay mifandraika amin'ny voninahiny sy ny fitiavana Azy ary fampiakaram-boninahiny dia mameno tanteraka ny eo anelanelan'ny lanitra sy ny tany. Ary tena marina fa ny " Vavaka Soalat dia hazavana " ho an'ny mpanompo ao am-pony, sy amin'ny tavany, ary ao amin'ny fasany sy amin'ny fotoana famoahana Azy avy ao am-pasana. Ary tena marina fa ny " fanomezana dia porofo " porofo ho an'ny fahamarinam-pinoany, sy fitsipahany an'ireo mpihatsaravelatsihy izay manakana izany nohon'ny tsy finoany ny fampanatenan'i Tompo Allah momba izany. Ary tena marina fa ny " faharetana dia hazavana " izany dia fanakanana ny tena amin'ny tebiteby sy ny tsy fifalina - hazavana mitondra ny hafanana sy ny fandorona tahaky ny fahazavan'ny masoandro, Satria izany dia sarotra ka mitaky ny fahazotoana sy fanoherana ny sitrapo, Ka tsy mitsahatra voazava sy voatari-dàlana hatrany ilay Olona, ary izany dia faharetana amin'ny fankatoavana an'i Tompo Allah, sy amin'ny fitsapana ary ireo karazan'ny zavatra tsy tiana rehetra eto an-tany. Ary tena marina fa ny " Koroany dia mpiaro Anao " amin'ny alàlan'ny famakiana Azy sy ny fampiharanao izay rehetra voalaza ao, na koa " mety lasa hitsipaka Anao " amin'ny fomba famelanao Azy sy tsy fampiharana izay rehetra voalaza ao ary ny tsy famakiana Azy. Avy eo dia nilaza sy nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny Olona rehetra dia miezaka sy miparitaka ary mifoha amin'ny toromason'izy ireo ka mivoaka ny tranon'izy ireo handeha hanatanteraka ny asa maro samihafa. Misy amin'izy ireo no mijoro tsara eo amin'ny fankatoavana an'i Tompo Allah, ka manala ny Tenany amin'ny Afobe, ary misy koa ireo izay nivily làlana sy tafalatsaka amin'ny fahotana ka rendrika amin'ny fidirana ao amin'ny Afobe.
Tatitra azo avy tamin'i Mouazy (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nitaingina tao aorian' ny Mpaminany (S.W.A) Aho tamin'ny apondra antsoina hoe : Oufair, dia Niteny Tamiko Izy ny hoe : " O ! Ry Moua'zh, fantatrao va inona ny Zon'i Tompo Allah amin'ireo mpanompony, ary inona ihany koa ny Zon'ireo mpanompony amin'i Tompo Allah ? " ka Namaly Aho : Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala izany, ary Niteny Izy ka nanao hoe : fa ny Zon'i Tompo Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza ", ka hoy Aho manao hoe : O ! Ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah moa va tsy holazaiko amin'ny Olona rehetra izany ? Dia namaly Izy (S.W.A) ka nanao hoe : " Aza ambara fa manjary miankin-doha amin'izany avokoa izy ireo ".
Al-Bukhari and MuslimManazava i Mpaminany (S.W.A) ny Zon'i Tompo Allah amin'ny mpanompony, sy ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah, ary ny Zon'i Tompo Allah amin'ireo mpanompony dia ny fanompoana Azy irery ihany ka tsy hatambatra amin'ny zavatra hafa, Ary tena marina fa ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah dia tsy ny fanasaziany ireo mpanokana Azy amin'ny fanompoana ary tsy mba manambatra Izy amin'ny zavatra hafa. Avy eo Mouaz Niloam-bava ka Niteny ny hoe : O ! Ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah moa va tsy holazaiko amin'Olona rehetra izany mba hifalian'izy ireo amin'izany fahasoavana lehibe sy goavana izany ? Ka nosakana'ny Mpaminany (S.W.A) izy mba tsy hianki-doha ny amin'izany
Tatitra azo avy tamin'i Jàbir (R.D) Niteny ka nanao hoe : Nisy lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) ka Niteny Izy nanao hoe : O ! ry Iraka mahafatokin'i Tompo 'Allah, Inona ireo adidy lehibe roa ? namaly izy ka nanao hoe : " Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe "
MuslimNisy lehilahy iray nanontany an'i Mpaminany (S.W.A) mahakasika zavatra roa : izay mandidy ny fidirana amin'ny Paradisa, sy izay zavatra mandidy ny fidirana amin'ny Afobe ? Dia namaly izy (S.W.A) : Fa ny zavatra izay mandidy ny fidirana amin'ny Paradisa dia ny fahafatesan'Olona iray manompo an'i Tompo Allah tokana ka tsy manakambana Azy amin'ny zavatra hafa, Ary ny zavatra izay mandidy ny fidirana amin'ny Afobe dia ny fahafaatesan'Olona iray nanakambana an'i Tompo Allah ka nataon'i Tompo Allah manana mpifaninana sy tahaka Azy amin'ny maha Zanahary Azy na koa amin'ny maha-Tompo Azy na koa amin'ireo anarany sy ireo lazany.
Tatitra azo avy tamin'i Sofian Bin Abdillahi At-Thaquafi (R.A) niteny izy: Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
MuslimNanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Sofian Bin Abdollah, ilay mpiara-dia aminy, mba hampianatra azy teny iray izay mahafeno ny hevitry ny finoana silamo mba hifikirany amin'izany ka tsy hanontaniany olon-kafa intsony? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : Lazao hoe : Izaho nanokana an’I Allah, ary nino aho fa Izy no Tompoko, Zanahariko, Mpanao ahy, ary hivavahako ampahamarinana, izay tsy misy mpiara-miombona aminy. Avy eo dia voatarika hankatò an’I Allah izy amin’ny fanatanterahana ireo didin’I Allah sy ny fiatahana ireo zavaboararan’I Allah ary miaina amin'izany hatrany.