





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Masoud 5r.A) niteny : Nampianatra anay Irak'Allah (S.AW) khoutoubat Al-hàjat manao hoe : Inal-hamda Lillàhy nataì'nohò wa nastaghfirhòu, wa naò'zhou bihì min shoròry anfosinà, man yahdil-làhou falà modwilla lahò, wa man youdlilo falà hàdiya lahò, wa ash-hado an-là ilàha illal-loàho wa ash-hado anna Mohammadan An'bdouhòu wa rasòulohò, (Yà ayyohan-nàso ittaqòu Roabbakomol-lathì khalaqakom min nafsin wahidatin wakhalaqa minhà zaowjahà wabaththa minhomà Rijàlan kathìran wanisà-à wattaqol-loàha allathì tasà-alòna bihì wal-arhàma innal-loàha kàna a'laykom raqìbà) [An-Nisa: 1] (Yà ayyohal- lathìna àmanòu ittaqol-loàha haqqa toqàtihì walà tamòutonna illà wa antom moslimòuna) [Al-imran: 102] (Yà ayyohal- lathìna àmanòu ittaqol-loàha wa qòlò qawlan sadìdà (70) .Yoslih lakom a-'màlakom wa yaghfir lakom dhonòbakom waman yotii'l-loàha wa rasòlaho faqad fàza fawzan a'dhìmà) [Al-Ahzàb: 70-71]
Ibn MaajahMampahafantatra ibn Mas'ond (R.A) fa i Mpaminany (S.W.A) nampianatra azy ireo toriteny fohifohy, ary izany dia tenenina rehefa manokatra kabary manao toriteny sy rehefa misy zavatra ilaina, tahaka ny toriteny atao amin'ny fanambadiana sy toriteny amin'ny Andro Zoma sy ankoatran'izany. Ity toriteny ity dia misy dikany lehibe, anisan’izany ny fanazavana ny zon’Allah amin’ny karazana fiderana rehetra, ny fangatahana fanampiana Aminy irery tsy misy mpiara-miasa, ny fanafenana ny fahotana sy ny fandavana azy, ary ny fialofana Aminy amin’ny ratsy rehetra, ny faharatsian’ny fanahy sy ny hafa. Avy eo nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahitsiana dia eo ampelatanan'i Allah, ka izay notarihiny amin'ny làlana mahitsy dia tsy misy afaka mamery azy, fa izay nariany kosa dia tsy misy afaka mampahitsy azy. Avy eo nilaza fijorona vavolom-belona mahakasika ny fahatokanan'i Allah Izy, dia tsy misy tompo tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany, ary ny fijoroana ho vavolombelona momba ny hafatra fa i Mouhammad (S.A.W) dia mpanompon'Allah sy irak'Allah. Ary nofaranany tamin’ireto andininy telo ireo ity toriteny ity izay ahitana ny didy amin'ny fatahorana an’Allah ilay Tsitoha amin’ny alàlan’ny fanaovana ny didiny sy ny fiatahana amin’izay voarara ho fitadiavana fifalian'Allah, ary ny valisoa ho an’izay manao izany dia ny fanaovana asa sy ny teny tsara, famafana ny fahotana sy ny fahazoana famelan-keloka, ny fahazoana fiainana tsara eto amin’izao tontolo izao, ary ny fahazoana ny Paradisa amin’ny andro farany.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy."
Ibn MaajahNambaran'ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa tsy manan-kery ny fanambadian'ny vehivavy afa-tsy amin'ny alàlan'ny lehilahy mpiahy izay manatanteraka ny fifanekena amin'ny fanambadiana.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe : "Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso."
Al-Bukhari and MuslimMamporisika antsika hamaly ny mpiantso rehefa mandre azy ny Mpaminany (SAW), amin'ny famerenana izay lazainy, fehezanteny isaky ny fehezanteny. Rehefa miteny “Allaho Akbar” izy, dia isika koa mamaly hoe “Allaho Akbar” ao aoriany, ary rehefa manonina ny fijoroana ho vavolombelona roa izy, dia manonina izany koa isika ao aoriany. Tsongaina manokana ny teny hoe : (Hayya Àla-soalat, Hayya Àlal-Falàh - Izay midika hoe : Mitongava manatrika ny vavaka, mitongava amin’ny fahombiazana), eo kosa dia tenenina ao aoriany hoe : (Là Haola wala-qowwata illà billàhy - Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah.
Tatitra azo avy tamin'i Al-Moghìra (R.A), niteny izy : Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho teny am-pandehanana, ka niondrika aho mba hanala ny kirarony, dia hoy izy hoe : “Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana” ka nisafoiny fotsiny.
Al-Bukhari and Muslim. This is the wording of Al-BukhariIray tamin'ireo dia nataony ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò izy. Raha tonga teo amin'ny fanasan-tongotra, dia naninjitra ny tànany i Al-Moghìrah ibn Sho’'bah (R.A) mba hanala ny kapa teny an-tongotry ny Mpaminany mba hanasany ny tongony! Hoy i Mpaminany (S.A.W) : Avelao izy ireo ary aza esorina, fa nataoko ao anaty ba kiraro ny tongotro ary efa madio aho. Ka nosafoin'ny Mpaminany (S.A.W) eo ambonin'ny Ba kirarony ho solon'ny fanasany ny tongony.
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino silamo (R.A), niteny fa nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Fatima Binti Abi Hobaishi manao hoe : Tonga fotoana foana aho ka tsy madio, Ka hijanona tsy hivavaka ve aho? Dia hoy izy namaly: “Tsia, izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”.
Al-Bukhari and MuslimNanontany ny Mpaminany i Fatima binti Hobayshi manao hoe : "Tsy mijanona ny ràko ary mitohy izany na dia tsy tonga fotoana aza aho. Ka moa ve izany mitovy amin'ny lalànan'ny fadimbolana ihany ka hajanoko ny soalat? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy hoe : io dia rà istihàdha, rà aretina, vokatry ny fahatapan’ny lalan-drà ao amin`ny tranonjaza, fa tsy rà tonga fotoana. Raha tonga ny fotoana fadim-bolana, araka ny fanaonao isam-bolana talohan’ny naharariana noho ny istihadha, dia avelao ny soalat, ny fifehezana, ary ny zavatra hafa tsy azon’ny vehivavy tonga fotoana hatao amin’ny fotoanan’ny fadim-bolana. Rehefa tapitra io fe-potoana io dia ho madio amin’ny fadim-bolana ianao, koa sasao ny toerana misy ny rà, dia sasao avokoa ny vatanao mba hanesorana ny loto, dia mivavaha.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Rehefa manao Ozo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo, ary rehefa mifoha amin’ny torimasony ny anankiray aminareo, dia aoka izy hanasa tànana alohan’ny handraisany ny rano hanaovany ozo, fa tsy misy aminareo mahalala ny toerana nipetrahan'ny tanany tamin'ny alina. Araka ny hadith-n'i Moslim : “Raha mifoha amin’ny torimasony ny iray aminareo, dia aza atsoboka ao anaty siny ny tànany mandra-panasany azy intelo, satria tsy fantany ny toerana nisy ny tanany nandritra ny alina.”
MuslimNanazava ny ampahany amin'ireo lalàna momba ny fahadiovana ny Mpaminany (S.A.W), ao anatin'izany ny: Ny voalohany : Izay midio (ozò) dia tokony hampiditra rano kely amin’ny orony no sady sotominy, avy eo mamoaka izany no sady manisina azy. Ny faharoa : Izay tia hanadio ny maloto mivoaka aminy ka hanala izany amin'ny zavatra hafa ankoatra ny rano, toy ny vato sy izay rehetra mitovy aminy, dia tokony ho diovina amin'ny isa tokana , ka ny kely indrindra amin'izany dia telo ary ny habetsaka indrindra dia izay mahafaka ilay loto sy mampadio azy. Ny fahatelo : Izay mifoha amin’ny torimaso alina dia tsy tokony hampiditra ny felatànany ao anatin’ny siny rehefa hanao ozò raha tsy efa nanasa intelo ny tanany ivelan’ny siny, satria tsy fantany izay nisy ny tanany tamin'ny alina, ka tsy ho azony antoka ny fahadiovany, ary mety ho nilalaovin'ny Satana ny tanany ka nitondrany zavatra manimba ny olona na manimba ny rano.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Sai’d Al*Kodri (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy, fa ny fiandohan’ny fakam-panahy ho an’ny Zanak’Israely dia tamin'ny vehivavy.”
MuslimManazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fiainana eto an-tany dia mamy amin'ny tsirony ary maitso eo amin'ny fahitana azy, noho izany dia lasa voafitaka ny olona iray, variana amin'izany ary nataony ho votoanton-draharaha amin'ny fiainany. Ary nataon’Allah hifandimby isika amin’ny fiainana eto an-tany, mba hijereny izay hataontsika, hankatò Azy ve isika sa tsy hankatò? Dia niteny izy : Mitandrema ianareo mba tsy ho voafitaky ny fahafinaretana sy ny haingo eto an-tany, ka hitarika anareo izany handao izay nandidian’Allah anareo ary ho latsaka amin’izay nandrarany. Anisan'ny zava-dehibe indrindra izay tsy maintsy tandremana amin'ny fakam-panahy eto an-tany dia ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy, ary io no fakam-panahy voalohany naharendrika ireo Zanak'Isiraely.
Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny : Azoko tamin'i Mpaminany (S.A.W) ny vavaka 10 Rakà : soalat roa Rakà alohan'ny zohr, ary roa rakà aoriany, ary roa rakà aorian'ny Maghrib any an-tranony, ary roa rakà aorian'ny Isha any an-tranony, ary roa rakà mialohan'ny fajri, izany dia fotoana tsy azo hidirana any amin'ny Mpaminany (S.A.W). Nilaza tamiko i Hafsa fa rehefa niantso ny mpanao Azan ary miposaka ny maraina mangiran-dratsy, dia nivavaka roa rakà izy, amin'ny filazana hafa : Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao rakà roa taorian'ny vavaka Zoma.
Al-Bukhari and Muslim with all its versionsManazava i Abdillah bin Omar (R.A) : Isan'ireo vavaka sonna azony avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny rakà folo, ary ireo no antsoina hoe Sonnah ar-Raoàtib. Roa rakà alohan'ny soalat Zohr ary roa rakà aorian'izany. Ary roa rakà aorian’ny soalat maghrib any an-tranony. Ary roa rakà aorian’ny soalat Isha any an-tranony. Ary roa rakà alohan'ny Soalat fajr Dia feno tanteraka ny folo rakà. Fa amin'ny Soalat Zoma kosa dia manao roa rakà aoriany.
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”
Al-Bukhari and MuslimManazava momba ny fandrahonana mafy ho an'izay manainga ny lohany mialohan'ny imam (mpitarika) azy amin'ny soalat ny Mpaminany (S.A.W) fa hataon'Allah ho lohan'ny apondra ny lohany, na hataon'Allah ho sarin'ny apondra ny endriny.