





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Mas'ond (R.A), Niteny manao hoe : Nampianatra ahy ny Tashahhod ny Irak'allah (S.A.W) tamin'izany ny tanako teo anelanelan'ny tanany, tahaka ny nampianarany ahy ny Sorah avy ao amin'ny kor’any: "Attahiyàto Lillàhi waswalawàto watwaybàto; Assalamo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo alaina wa a'là Ibadillahi swalihina. Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado anna Mohammadan a’bdohò warasòlohò". Amin'ny voambolana niarahan'izy roa nitatitra: " Ny tena marina fa Allah ilay Fiadanana (salam) fa rehefa mipetraka ny iray aminareo manao ny fivavahany, dia aoka hiteny manao hoe: Attahiyato Lillahi waswalawato watwaybato; assalàmo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo a’laina wa aa'la Ibadillahi swalihina, rehefa niteny izany izy dia ho azon'ny mpanompo mendrika rehetra ety an-tany sy any an-danitra ny hatsarana amin'ny fitenenana izany; Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado nna Mohammadan a’bdohò warasòlohò, orian'izany izy dia manao izay do'a tiany ho atao"
Al-Bukhari and MuslimNampianatra an'i Ibn Maso'd (R.A) ny Mpaminany (S.A.W) ny Tashahhod izay lazaina mandritra ny vavaka, ary nametrany ny tanany teo aminy tanany roa mba tsy hampivily ny sain'i Ibn Maso'd aminy, tahaky ny nampianariny azy ny sorate iray avy ao amin’ny CORAN, izay manambara fifantohan'ny Mpaminany (S.A.W) amin’io tashahhod io amin’ny voambolana ao aminy sy ny heviny. Dia niteny izy: "Attahyato Lillahi" : Izy io dia teny rehetra na fihetsika maneho fanajana, ary mendrika an’Allah ilay Tsitoha avokoa. "Aswalawàto": Io no vavaka efa fanta-daza izay tsy maintsy atao sy an-tsitrapo ho an’Allah ilay Tsitoha. "Attaybàto": Izy io dia teny sy fihetsika ary toetoetra tsara rehetra mampiseho ny fahalavorariana, ary mendrika an’Allah Tsitoha avokoa. "Assalamo A'laika ayohannabio warahmatollahi wabarakàtoh": Vavaka ho azy mba ho voaro amin’ny fahoriana sy ny loza rehetra ary ny fampitombo sy ny hahamaro ny soa rehetra. "Assalamo a'lainà wa a'là ibadillahi swalihìna": Doan amin'ny fiadanana ho an'ny olona mpanao swalat sy ho an'ny mpanompo mendrika rehetra any an-danitra sy ety an-tany. "Ash-hado An-Là ilàha illalàho": Izany hoe, ekeko ary hamafisiko fa tsy misy tompo marina sy mendrika ho tompoina afa-tsy Allah. "Wa anna mohammadan a'bdohò warasòlohò": Manamafy ny maha mpanompo azy sy ny fitondrany ilay hafatra farany. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) namporisika ny olona hisafidy izay Doan tiany hatao.
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : "Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao Doan sy niteny hoe : "Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl". Amin'ny Moslim indray izy miteny hoe : "Rehefa nahavita ny Tashahod farany ny iray aminareo dia mangataha fiarovana amin'ny zavatra efatra : amin'ny sazin'Afobe, sazy ao am-pasana, fitsapana ami'ny fahavelomana sy ny amin'ny fahafatesana, ary ny amin'ny ratsy entin'ilay mpaminany sandoka" dajjal".
Al-Bukhari and MuslimNy Mpaminany (S.A.W) dia nangataka fiarovana tamin'Allah momba ny zavatra efatra taorian'ny tasahhoda farany sy talohan'ny famaranana ny vavaka, ary nandidy antsika izy mba hitady fiarovana amin'Allah amin'izany: Ny voalohany: aamin'ny sazy ao am-pasana. Ny faharoa: amin’ny sazy ao amin'Afobe, ary izany dia amin’ny andro farany. Ny fahatelo: Amin’ny fakam-panahy eo amin’ny fiainana, amin’ny filana eto an-tany izay voarara sy ny zavatra mampisalasala izay manary eo aminy, ary amin’ny fakam-panahin’ny fahafatesana, izany hoe amin’ny ora hahafatesana, amin’ny fialana amin’ny finoana silamo na ny Sonnah, na amin’ny fakam-panahin’ny fasana, toy ny fanontanian'ireo anjely roa. Ny faha efatra: Ny fakam-panahy ataon’ny Mesia sandoka izay hivoaka amin’ny fotoana farany, hotsapain’Allah ireo mpanompony amin'ny alalany, Nitononony manokana izy io noho ny haleben'ny fitsapana hoentiny sy ny famerezana hoentiny.
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy : Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy".
Al-Bukhari and MuslimIsaky ny te-hiditra amin'ny toerana fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) na hipiy na hamoaka maloto dia mitady fiarovana amin'Allah ary mitodi-doha amin'Allah mba hiaro azy amin'ireo faharatsian'ny devoly lahy sy vavy. Ny Khobthi sy ny Khabàith koa dia nadika ho faharatsiana sy fahalotoana.
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny izy : Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro, avy eo dia manavasava ny volony tamin'ny tànany, mandra-pahazoany antoka fa tonga any amin'ny fakan'ny volony ny rano ary lena ny hodi-dohany, nandraraka rano in-telo taminy, avy eo nanasa ny vatany iray manontolo, dia hoy izy : Izaho sy ny Irak'Allah (S.A.W) nandro amin'ny koveta iray ary samy nanovo tao izahay roa. .
Al-Bukhari and MuslimRehefa te-handro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia niatomboka tamin'ny fanasana tanany roa. Avy eo dia manao ozò izy toy ny ozò fatao amin'ny soalat, avy eo manondraka rano amin'ny vatany, avy eo manavasava ny volon-dohany mandra-pahazoany antoka fa tonga any amin'ny fakan'ny volo ny rano ary lena ny hodi-dohany, avy eo nandraraka rano tamin’ny lohany in-telo ary nanasa ny sisa tamin'ny vatany. Ary niteny i Aicha (R.A) : Izaho sy ny Irak'Allah (S.A.W) mandro ao anaty koveta iray ary samy manovo rano ao aminy.
Tatitra azo avy amin'i Ali (R.A) niteny manao hoe : Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy". Amin'ny Bokhari kosa dia: Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Manaova ozò ary sasao ny henatrao".
Al-BukhariNilaza i Ali Ibn Abi Tàlib (R.A) fa izy dia be Madhi - izy io dia ranon-javatra fotsy madity izay mivoaka amin'ny filahina rehefa te hanao filana na mialohan'ny firaisana-, Ary tsy fantany ny tokony hataony rehefa mivoaka aminy io zavatra io, ka menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) izy, noho izy vadin'i Fatima zanakavavin'ny Mpaminany (S.A.W), Dia niangavy an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba izany, Dia namaly ny Mpaminany (S.A.W) : mba hanasa ny henatrany avy eo dia manao ozò fotsiny.
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi bin Maso’di (R.A) niteny izy: Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.” Hoy izy : Ireo no nambarany ahy, ary raha mbola nitady fanampiny taminy aho, dia nanampiany.
Al-Bukhari and MuslimNanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Inona no asa tian’Allah indrindra? Namaly izy : Ny vavaka tsy maintsy atao amin’ny fotoana voatondron’ny lalàna. Avy eo, fanajana ray aman-dreny amin’ny fanehoana hatsaram-panahy aminy, amin’ny fanatanterahana ny zony, ary amin’ny fialana amin’ny tsy fanajana azy. Avy eo dia ny jiady amin'ny làlan'Allah, mba hanandratana ny tenin'Allah ilay Tsitoha, hiaro ny finoana silamo sy ny vahoakany, ary haneho ny fombafombany, amin'ny vatana sy ny vola. Niteny Ibn Mas’od 'R.A) : Lazao ahy ireo asa ireo; Ary raha mbola niteny taminy aho hoe : inona no aorian'izany? dia nampiany hatrany izy.
Tatitra azo avy tamin'i Yahya bin Amara Al-Mazini nilaza manao hoe : Nahita an'i Amr bin Abi Hassan aho nanontany an'i Abdollah bin Zaid ny amin'ny ozoò-n'ny Mpaminany (S.A.W), dia nangataka koveta feno rano izy, ka dia nanao ozoò ho azy ireo tahaka ny an'ny Mpaminany (S.A.W). Nalainy teo aminy ilay koveta dia nanasa ny tànany in-telo izy, dia natsofony tao anatin'ny koveta ny tànany naka rano ka nihotsam-bava sy nanadio ny orony ary namoaka ny rano avy ao anatiny, tamin'ny rano telo raon-tanana kely, avy eo dia nampidiriny tao ny tànany ary nanasa ny tavany in-telo, avy eo nanasa tànana in-droa hatreo amin’ny kiho, dia nampidiriny tao ny tànany ka nosafoiny ny lohany, teo aloha sy aoriana indray mandeha, avy eo izy nanasa ny tongony hatreo amin’ny kitrokeliny.
Al-BukhariNanazava ny fomba nanatanterahan'ny Mpaminany (S.A.W) ny ozoò araka ny tokony ho izy i Abdollah bin Zaid (R.A), Nangataka lovia kely misy rano izy. Teo am-panombohana izy dia anasa ny felatànany, ary avy eo dia natongilany kely lovia ka nandraraka rano, dia nanasa azy in-telo teo ivelan’ny lovia. Dia natsofony tao anatin’ilay lovia ny tànany, ka nandraotra rano kely in-telo tamin’izany izy, nanotsam-bava sy nampiditra rano amin'ny orony sy namoaka izany avy eo. Dia naka rano kely tao amin'ny lovia izy ka nanasa ny tarehiny in-telo, Avy eo naka rano kely tao amin'ny lovia dia nanasa ny tànany roa hatreo amin'ny kiho in-droa miatona. Dia nataony tao anaty lovia ny tànany dia nisafo ny lohany tamin’ny tànany roa izy, nanomboka teo anoloan’ny lohany ka tonga tany amin'ny farany, dia naveriny izany mandra-pahatongany tany amin’ilay toerana niaingany. Dia nanasa ny tongony roa izy niaraka amin'ny kitrokeliny.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Bakrata (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra?”naveriny in-telo". Hoy izy ireo namaly: “Eny, ry irak’I Allah.” Dia hoy izy : “Ny fampirafesana an'I Allah, ny tsy fanajana Ray aman-dreniny.” Nipetraka izy no sady niakina ka niteny hoe : “Tandremo ny fijorona vavolombelona amin'ny lainga.” Tsy nitsahatra namerimberina izany izy, ka nahatonga izahay niteny hoe : Enga anie izy mba hangina.
Al-Bukhari and MuslimNolazain'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ireo mpiara-diany ny fahotana lehibe indrindra, ka nilaza ireto telo ireto izy : 1. Fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa: izany dia ny fandefasana n'inona n'inona amin'ireo fanompoana ho an'ny zavatra hafa ankoatra an’I Allah, sy ny fampitoviana an’I Allah amin’ny hafa eo amin’ny maha-Tompo Mpahary Azy, amin'ny maha-Tompo tompoina Azy, amin'ny ireo Anarany sy ny Toetoetrany. 2. Ny tsy fanajana Ray aman-dreny : izany dia izay rehetra ratsy atao amin’ny Ray aman-dreny, na amin’ny teny na amin’ny fihetsika, ary ny tsy fanaovana soa aminy. 3. Fitenenana lainga, anisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona tsy marina : Izany dia ny teny sandoka sy lainga rehetra natao hanambaniana an’izay iharan’izany amin’ny fakana ny volany, ny fanitsakitsahana ny voninahiny, sy ny rehetra mitovy amin'izany. Namerimberina ny fampitandremana amin'ny fitenenan-dratsy ny Mpaminany (S.A.W) mba ho fanairana ny amin'ny faharatsiana sy ny voka-dratsy aterany eo amin'ny fiaraha-monina, ka nahatonga an'ireo mpanara-diany niteny hoe : Enga anie izy mba hangina, ho fangorahana azy sy fankahalana izay manelingelina azy.
Tatitra azo avy tamin'i AL-MIkDAD Ibn Maadi Karab (R.a), niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Raha misy Olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza Aminy mivantana hoe Tia Azy Izy ."
At-TirmidhiManazava i Mpaminany (saw) dia momba ny iray amin'ireo antony manamafy orina ny fifandraisan'ny mpino sy mampiparitaka ny fifankatiavana eo amin'izy ireo, dia ny hoe raha misy olona mitia ny rahalahiny dia aoka izy hilaza amin'ny rahalahiny fa tiany izy.