





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Amro bin 'Assi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny fahotana lehibe dia ny: fampiombonana an'I Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
Al-BukhariManazava ny fahotana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia ireo izay misy fandrahonana mafy ho an'ny mpanao azy eto an-tany na any ankoatra. Ny voalohany amin'izy ireo dia ny : Fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa : izany dia ny fanaovana na inona na inona amin'ireo karazana fanompoana rehetra ho an'ny hafa ankoatra an’I Allah, sy ny fampitoviana an’I Allah amin’ny zavatra hafa manoloana ireo zavatra voatokana ho Azy irery ihany,amin’ny maha Tompo Mpahary Azy, amin'ny maha-Tompo tompoina Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany. Ny faharoa : Ny tsy fanajana ny ray aman-dreny : izany dia izay rehetra ratsy atao amin’ny ray aman-dreny, na fiteny na fihetsika, ary ny tsy fanaovana soa aminy. Ny fahatelo dia “famonoana olona”: Tsy amin'ny rariny, toy ny famonoana tsy ara-drariny sy an-kerisetra. Ny fahefatra dia ny “fianianana mandetika”: izany dia fianianana lainga ary fantany tsara fa mandainga izy, izany no niantsoana azy satria mandentika ny tompony ao amin’ny fahotana na any amin’ny Afobe.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”
Al-Bukhari and MuslimMilaza etoana ny Mpaminany (S.A.W), fa izay mijery ny mahasoa ny vehivavy maty vady, izay tsy manana olona mpikarakara azy, sy ny mahantra izay tena sahirana, ka mamoaka vola ho fanampiana azy ireo, nataony izany rehetra izany mba hahazoany valisoa avy amin'Allah, ny valisoa azony dia tahaka ny azon'ny olona miady amin'ny làlan'Allah, na mivavaka amin'ny alina tsy reraka mihitsy, na koa mifehy tsy manapaka ny fifehezany.
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.a), fa Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : “ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika .” ka Niteny avokoa ireo Mpanara-diany Mpaminany ( saw) nanao hoe : Ry iraka mahafatokin'i Tompo Allah O ! , ka mba inona avokoa moa ary izy ireo ? dia namaly Izy ka Niteny hoe : “ Ny fanakambanana ny fanompoana an’i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa, ny filalaovana ireo Aody mahery, ny famonoan'Olona tsy amin'ny rariny izay noraran’i Tompo Allah afa-tsy amin’ny fahamarinana ihany, fihinana ny zana-bola, fihinana ny volan’ireo kamboty, ary fandosirana amin’ny Ady masina, fanendrikendrehana ireo vahoaka Mpino vavy madio ara-mpitondran-tena .”
Al-Bukhari and MuslimNandidy ny vahoakany i Mpaminany (saw) mba hanalavitra tanteraka ireo heloka sy ny fahotana fito izay voalaza fa maharendrika, ary rehefa nanontaniana momban'izany Izy amin'ilay teny hoe : Inona moa izany ? dia nohazavainy toy izao izany : Voalohany dia : Ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa, amin’ny alàlan’ny fampitoviana Azy sy fampitovian-jo Aminy, na amin’ny endriny inona izany, ary amin’ny fitarihana ny fanompoam-pivavahana rehetra amin’ny zavatra hafa an-koatra an’i Tompo Allah, ary nanomboka tamin’ny fanompoan-tsampy ny vali_teniny, Satria io no tena fahotana lehibe indrindra. Faha-roa dia : Ny filalaovana Aody ratsy - io dia entina ilazana ny fatotra, ny Aody, ny famosavina ary ny fitsofana fanafody - izay misy fiantraikany amin'ny vatan'ilay Olona voan'ny famosaviana amin'ny alàlan'ny fahafatesana na aretina, na fisarahan'ny mpivady, izy io dia asan'ny satana, ary maro amin'izany dia tsy ho tanteraka raha tsy amin'ny alàlan'ny fanompoan-tsampy sy ny fanatonana ireo fanahy ratsy amin'ny zavatra izay tiany ho atao na tiany ho tanterahana. Fahatelo : Famonoana ny Olona izay noraran’i Tompo Allah fa tsy tokony ho vonoina afa-tsy amin’ny fanamarinana ara-dalàna izay apetrakin'ny Mpitsara. Faha-efatra : Ny fandraisana ny zana-bola amin’ny alàlan'ny fihinanana na fampiasana azy mba ahazahoana ireo tombontsoa hafa. Faha-dimy dia : Ny fisolokina ny harenan’ny Zaza izay maty ny Rainy fony izy mbola tsy ampy taona ka lasa antsoina Zaza kamboty ilay Zaza. Faha-enina : Fandosirana ny ady manoloana ireo tsy mpino. Faha-fito dia : Ny fiampangana tsy amin'ny rariny ireo vehivavy madio ho mpijangajanga, tahak'izany ihany koa ny fiampangana ireo lehilahy manoloana an'izany.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (r.a),nilaza fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Aza atao fasana ny tranonareo, ary aza atao toeram-pivavahana ihany koa ny fasako, fa mivavaha ho Ahy fa tsy maintsy tonga Amiko ny vavakareo na aiza na aiza misy Anareo ".
Abu DawoodNandrara ny tsy fanaovana fanompoam_pivavahana ao amin'ny trano amin'ny fotoana lavabe i Mpaminany (saw), ka lasa ho toy ny fasana ny trano tsy misy Olona mivavaka ao anatiny ". Ary nandrara ny fitsidihana ny fasana amin'ny fomba matetika sy miverimberina tsy tapaka mihitsy i Mpaminany ( saw) Satria izany dia lalana iray mety mitarika ny fanompoan-tsampy ". Nandidy atsika mba hivavaka sy handefa fiarahabana Aminy Isika na aiza na aiza eto an-tany ny toerana misy Antsika. Satria izany dia ho tonga any aminy na avy amin'ny olona akaiky sy ny lavitra, ka tsy ilaina ny mivezivezy mankany amin'ny fasany..
Tatitra azo avy amin'i SAHLI IBN SAAD (R.a), Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”
Al-BukhariMilaza zavatra roa i Mpaminany (saw), ka raha mitandrina mafy amin'izany ny silamo dia hiditra any amin'ny paradisa izy. Voalohany : Mamehy ny lela tsy hiteny izay mahatezitra an’I Allah ilay Tsitoha. Ny faharoa : Fiarovana ny taovam-pananahana mba tsy ho latsaka amin’ny fijangajangana. Satria ireo rantsambatana roa ireo dia matetika mampilatsaka ny Olona amin'ny fahotana.
Tatitra azo avy amin'i JABIR (R.a) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (saw) niteny ka nanao hoe : " Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah) ".
Ibn MaajahManambara atsika i mpaminany (saw) fa ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny fahatsiarovana ny fitenenana hoe : " LA ILAHA ILLA LLAHO ", izay midika fa tsy misy tompo Tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Tompo Allah, ary ny vavaka tsara indrindra dia ny fitenenana ilay teny hoe : AL-HAMDO LILLAHI, ary izy io dia fahatsapanao fa ny mpanasoa dia i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, ary mendrika ho Azy manokana ny deraina amin'ny fahafenoana tsara indrindra.
Tatitra azo avy amin'i Ibn masond (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa. "
Al-BukhariMilaza i Mpaminany (saw) fa ny Paradisa sy ny Afobe dia akaiky ny Olona, toy ny fehin-kiraro eo an-damosin'ny tongotra, Satria mety hanao asa fankatoavana izay mampifalifaly an'i Tompo Allah Izy mba hidirany any amin'ny Paradisa, na mety manao fahotana sy fahadisoana izay lasa ho antony iray hidirany any amin'ny Afobe.
Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri (R.A) sy i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany."
Al-Bukhari and MuslimManazava ny irak'I Allah (S.A.W) fa izay manjo ny mpino amin'ny aretina sy ny asa loha, alahelo, fahasahiranana, fahoriana, fijalina, tahotra, ary hanoanana - eny na dia ny tsilo nahavoa ka mampangotsika azy - izany dia ho famafana ny fahotany sy famelana ny fahadisoany.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (saw) manao hoe : “Saron’ny fahafinaretana ny helo, ary saron’ny fahasahiranana ny Paradisa.”
Al-Bukhari and MuslimManazava i Mpaminany (saw) fa ny afobe dia voadidin'ny zavatra irin'ny fanahy, toy ny fanaovana zavatra voarara na ny fanaovana tsirambina ny adidy. Na iza na iza manaraka ny sitrapony sy ny faniriany amin'izany dia mendrika azy ny Afo. Ary tena marina fa io Paradisa io dia voahodidina zavatra halan’ny fanahy; Toy ny fikirizana amin’ireo fanompoana nodidiana, miala amin’ny zava-boarara, ary faharetana amin’izany, ka raha mifofofofo sy miezaka mafy amin’izany izy dia mendrika ny hiditra any amin’ny Paradisa.